Socio-eco

PRIX POLA 2024 : Nomena boky volafotsy noho ny dingana vitany ny mpanoratra malagasy Hary Rabary


Anisan’ireo mpanoratra afrikanina 5 nifaninana tamin’ny  lalao famaranana Prix Orange du Livre en  Arique (POLA) 2024 i Hary Rabary. Ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe #ZaKoa, navoakan’ny trano mpanonta boky « Dodo Vole » no nandraisany anjara tamin’ny fifaninanana. Boky mirakitra tantara foronina miisa 39, natolotry ny trano mpanonta boky miisa 27, manerana ny firenena afrikanina 15 no nifaninana tamin’ny  POLA andiany fahaenina. 5 tamin’ireo no tafiakatra tamin’ny dingana famaranana ka tao anatin’izany  ny boky nosoratan’i Hary Rabary. Nanolotra  boky volafotsy ho azy,  ny 24 mey 2024, eny amin’ny tranom-boky monisipaly Analakely ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson noho ny dingana vitany nandritra ny fifaninanana. Marihana fa i Dibakana Mankessi avy ao Congo, tamin’ny alalan’ny boky  « Le Psychanalyste de Brazzaville », navoakan’ny  trano mpanonta boky « Les Lettres Mouchetées » no mpndresy tamin’ity taona ity, izay nisolo toerana ny mpanoratra malagasy Rakotoson Michèle, mpandresy tamin’ny POLA 2023.

Boky voalohany nosoratan’i Hary Rabary, “médecin gynécologue” i #ZaKoa. Dikan’ny #MeeToo amin’ny teny gasy io sangan’asany io izay mitantara ny ady natrehan’ny tovovavy mpianatra iray niharan’ny fanolanana, nanana finiavana hiady amin’ny  fandrabirabiana sy tsy hibaby henatra. Mampiseho ny asa ataony amin’ny maha “gynécologue” ihany koa ary miresaka ny lohahevitra mafana sy fady eo Madagasikara sy any amin’ny toeran-kafa. Nankasitraka ireo mpikambana 34 tao amin’ny komity mpamaky boky teto Madagasiakra ihany koa ny Orange Solidarité. Notolorana taratasy mari-pankasitrahana izy ireo ka mpiasan’ny Orange Madagascar ny 20 tamin’izy ireo. Tsara ny mampatsiahy fa noforonin’ny Fondation Orange ny taona 2019 ny POLA ho fanandratana ny talentan’ny mpisehatra amin’ny literatiora afrikanina sy ho fampiroboroboana ny  trano mpanonta boky eto Afrika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *