Socio-eco

PRIX ORANGE DU LIVRE EN AFRIQUE: Ny mpanoratra Malagasy Rakotoson Michèle no nandrombaka ny loka goavana


Notanterahina ny zoma 12 Mey 2023 tao Abidjan Côte d’Ivoire ny lanonana fizarana loka ho an’ny fifaninanana « Prix Orange du Livre en Afrique ». Tantara foronina 38, natolotry ny trano mpanonta boky 29 – miparitaka avy amin’ny firenena afrikanina, mampiasa ny teny frantsay miisa 12  no nandray anjara tamin’ity andiany fahadimy ity. Boky miisa dimy no voasafidy hiatrika ny dingana famaranana. Taorian’ny fikaonandoha sy ny adihevitra dia niantefa tamin’ny boky nosoratan’i Rakotoson Michèle – Ambatomanga ( natontan’ny Atelier des nomades Maurice)  ny safidin’ny mpitsara. Manam-pahaizana manokana momba ny literatiora ny mpikambana nandrafitra ny mpitsara. Filoha nitarika izany i Véronique Tadjo.

Tohana ara-bola mitentina 10.000 euros ny loka azon’i Rakotoson Michèle ary hahazo tohana ihany  koa izy amin’ny fampahafantarana ny sangan’asany. Marihina fa nandimby ny toeran’i Yamen Manai, mpandresy tamin’ny taona 2022 tamin’ny alalan’ny asa soratrany Bel abîme (Elyzad) izy. Mitantara fiainan’olona roa tamin’ny ady nandritra fanjanahantany teto Madagasikara ny boky nosoratan’i Rakotoson Michèle: Félicien Le Guen, miaramila tanora sy Tavao, andevo tanora tao Ambatomanga, nanolontena hiatrika ny ady. Tsara ho fantatra fa noforonin’ny Fondation Orange ny taona 2019 ny fifaninanana « Prix Orange du Livre en Afrique » ho fanandratana ny mpanatalenta afrikanina amin’ny sehatry ny literatiora sy ho fampiroboroboana ny asan’ireo trano mpanonta boky eto Afrika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *