Socio-eco

PRIX ORANGE DU LIVRE EN AFRIQUE 2023: Ao anatin’ireo boky 5 tafiakatra amin’ny dingan’ny famaranana ny asa soratr’i Rakotoson Michèle


Manana solontena i Madagasikara amin’ny dingan’ny famaranana amin’ny « Prix Orange du Livre en Afrique 2023 ». Fifaninanana ho fanomezana lanja ny asa soratra eto Afrika mampiasa teny frantsay izy ity. Nanomboka tamin’ny taona 2019, nanolotra loka ho an’ireo tantara foronina amin’ny teny frantsay, nosoratana mpanoratra  afrikana sy navoakan’ny trano mpanonta boky eto Afrika ny Fondation Orange, mpikarakara ny fifaninanana. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 15 martsa 2023 tany Abidjan ireo boky 5 hiatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny andiany fahadimy. Hotolorana  fanampiana mitentina 10.000 euros sy hotohanana amin’ny fampahafantarana ny sangan’asany ny mpifaninana mendrika indrindra.

Anisan’ireo boky hiatrika ny dingana famaranana amin’ny « Prix Orange du Livre en Afrique 2023 »:

. Ny boky mitondra lohateny hoe « Les vies (multiples) d’Adam », nosoratan’i Lamine BENALLOU avy ao Algérie,  natontan’ny « éditions Frantz Fanon ao Algérie,

  • Ny boky « La nuit du doute », nosoratan’i Bechir GARBOUJ avy ao Tunisie, natontan’ny « éditions Demeter Tunisie »
  • Ny boky « Les dieux de la brousse ne sont pas invulnérables », nosoratan’i Ibrahima HANE avy ao Sénégal, natontan’ny « éditions L’Harmattan Sénégal »
  • Ny boky « Safora, une vie de tribulations », nosoratan’i Anzata OUATTARA avy ao Côte d’Ivoire, natontan’ny « éditions Mouna Côte d’Ivoire »
  • Ny boky « Ambatomanga », nosoratan’i Michèle RAKOTOSON avy eto Madagasikara , natontan’ny « éditions L’atelier des nomades » ao Maurice

Tamin’ny alalan’ny fikaonandohan’ireo komity mpamaky boky miisa 5, ahitana  mpamaky boky 60 mahery, avy amin’ny firenena afrikanina mampiasa ny teny frantsay miisa 15 no nosafidianana ireo mpifaninana hiatrika ny dingana famaranana. Novakiana in-12 farafahakeliny ny boky iray. Matihanina momba ny boky, toy ny mpitantana trano fivarotam-boky, tranomboky, mpitantana trano mpanonta boky, mpitantana tranom-boky, mpanao gazety….no namaky izany. Boky miisa 38  naroson’ireo trano fanontana boky miisa 29 avy amin’ny firenena 12 eto amin’ny kaontinanta afrikanina no nandray anjara tamin’ity andiany fahadimy ity. Hahazo fanasana hanatrika hetsika iraisampirenena momba ny boky any Abidjan (SILA) amin’ny volana mey 2023 ireo mpifaninana dimy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *