Socio-eco

PREZIDA RAJOELINA SY NY BEN’NY TANAN’IVATO : Tafaraka samy tia-fandrosoana sy manina ny vahoaka


Hahazo fotodrafitrasa hafa maro indray ny kaominin’Ivato. Tsy navelan’ny ben’ny tanàn’Ivato, Randrianarisoa Penjy  handalo fotsiny ny Prezidàn’ny Repoblika, Rajoelina Andry nandritra ny fanolorany tamin’ny fomba ofisialy ireo daba pako dimy sy camion benne iray ny 10 Jona 2021 teo an-tokontan’ny kaominin’Ivato. Samy nahazo sy notoloran’ny Prezidà ireo zavatra ireo ny kaominin’Ivato, kaominin’Ambohibao Antehiroka, kaominin’i Mahitsy. Nandritra ny fandraisana  fitenenana nataon’ity ben’ny tanàn’Ivato ity no nangatahany fotodrafitrasa maro ilain’ny vahoaka indrindra ny mpianatra sy ny tanora. Nisaotra ny Prezidà ihany koa izy tamin’ny tsy nijereny loko politika.  KAOMININ’IVATO« Misaotra anao ao andriamatoa Filoha amin’ny tsy nijerenao ny loko politika na nanery ahy hanaraka ny firehanao vao nomenao fanampiana fa ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny tanindrazana no nibahana tao aminao ka dia nifanome tanana isika hampandroso ity firenena ity. Tsy avelako handalo fotsiny eto ianao andriamatoa filoha. Fantatro ianao fa tia fanatanjahantena ka mangataka aminao ny hanamboarana kianja manara-penitra eto Ivato ho an’ny tanora. Efa misy ny toerana azo anaovana an’izany, eo akaiky ny RFI taloha. Momban’ny fampianarana indray, efa niezaka  izahay tamin’ny herin’ny kaominina nanamboatra sekoly kanefa midadasika ny kaominin’Ivato izany satria kaominina roa no natambatra kanefa iray monja ny CEG izay efa antitra tokoa. Noho izany dia mangataka aminao izahay ny hanamboarana sekoly manara-penitra tahaka ireo toerana manerana an’i Madagasikara izay efa misy izany sekoly izany. Momba ireo mpampianatra FRAM, fantatra fa mampiditra mpiasa-panjakana ireo mpampianatra FRAM ny fanjakana. Ho an’ny kaominin’Ivato dia betsaka izy ireo ka mangataka mba ho raisina mpiasa-panjakana ihany koa araka izay azo atao satria mijaly ireo mpampianatra ireo. Betsaka ny fotodrafitrasa vitan’ny kaominina saingy misy ny tsy vita noho ny enti-manana anisan’izany ny lalana, io hitanao io ny tranon’ny kaominina izay tokony efa avaozina sy ilaina fanamboarana. Mino izahay fa tsy hijery fotsiny ianao andriamatoa filoha fa hanampy anay izay lazaina fa vavahadin’i Madagasikara izany. Maro ny toerana maizina amin’ity toerana ity ka isaorana ny tomponandraikitra rehetra fa ho avy ny eo anivon’ny Jirama hanao izany. Farany, ho avy amin’ity volana jona ity koa ny fampidirana rano fisotro madio izay nampijaly ny mponin’Ivato.Mbola fiara-miasa tamin’ny fitondram-panjakana izany ».

Neken’ny Prezidà avokoa ny fangatahana

Tsy nisalasala ny Prezidàn’ny Repoblika tamin’ireo fangatahana nataon’ny ben’ny tanàn’Ivato ireo satria mahatsapa izy fa ny mponin’ivato dia vahoakan’i Prezidà ka noho izany dia hiara-hiasa akaiky ny roa tonta.PREZIDA RAJOELINA «  Ny vahoaka no jerena ka hampandrosoan-tsika miaraka ny tanàn’Ivato ity. Mendrika fampandrosoana mirindra sy maharitra ity vavahadin’i Madagasikara ity. Anisan’izany ny hanomezana izao camion benne sy daba pako izao mba hanadiovan-tsika ny tanàna. Hoy ny baiboly, izay mandondona dia vohaina, izay mangataka dia omena. Noho izany dia omena kianja filalaova-baolina manara-penitra sy kianja mitafo manara-penitra  ny kaominin’Ivato. Atao jiro Led no apetaka amin’ny lalana, iarahana amin’ny jirama ny fanaovana azy. Hanamboarana sekoly  manara-penitra maromaro ny kaominin’Ivato. Momba ireo mpampianatra FRAM kosa dia efa nampitomboina ny mpampianatra FRAM ho raisina mpiasa-panjakana nandritra ny fian-kevitry ny minisitra. Ankinina amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasa-panjakana eto amin’ny kaominin’Ivato. Ho atao moderina sy manara-penitra ihany koa ny tranon’ny kaominin’Ivato ». Ankoatra izay dia hitan’ny Prezidà ny haratsin’ny lalana nolalovany tamin’izy nankeny amin’ny kaominin’Ivato. Noho izany dia nanome baiko ny governoran’Analamanga izy ny hanamboarana izany lalana izany.

Rehefa vita ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry ireo dia hiverina eny indray izy hitokana azy ireo.

Kaominin’Ambohibao Antehiroka sy kaominin’i Mahitsy

Kaominin’Ambohibao Antehiroka sy kaominin’i MahitsyNisaotra ny Prezidà Rajoelina Andry izay nidina teny amin’ireo kaominina nijery ny olana sedrain’izy ireo. Tamin’izany no  nanomezana ireo camion benne sy daba pako izay ilain’ny kaominina hanadiovana ny tanàna sy hanariana ny fako hoy  ny ben’ny tanànan’ Ambohibao Antehiroka, Rivolalaina Vonjy Arthur . Tsy misy ny ampy fa miezaka manadio ny tanàna miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Teo ihany koa ny nanolorany kianja manara-penitra roa ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo, hoy izy. Ho an’ny kaominin’i Mahitsy kosa dia ny fanamboarana ny tsena no lahara-pahamehana, hoy ny ben’ny tanàn’i Mahitsy,…. Efa nangatahana tamin’i Prezidà  mba ho atao manara-penitra ny tsenan’ny sabotsin’i  Mahitsy ary nekeny izany.  Satria tokoa ny tsena no antoky ny fampandroana firenena iray, hoy izy. Mino izy fa ho ataon’i Prezidà io tsena io satria kaominina 13 sy distrika telo no misitraka izany. Ankoatra izay dia manana olana ny kaominina amin’ny faharatsian’ny lalana sy ny tsy fisian’ny rano fisotro madio. Eo ihany koa ny tsy fampian’ny sekoly, hoy izy.

Ra-Nirina


One comment on “PREZIDA RAJOELINA SY NY BEN’NY TANAN’IVATO : Tafaraka samy tia-fandrosoana sy manina ny vahoaka

  1. Pingback: PREZIDA RAJOELINA SY NY BEN’NY TANAN’IVATO : Tafaraka samy tia-fandrosoana sy manina ny vahoaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *