Socio-eco

PRATIQUES FAMILIALES ESSENTIELLES: Tsy andoavam-bola kanefa miantoka ny ho avin’ny ankizy


Fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra. Mpanapa-kevitra ara-politika, mpitarika fivavahana, mpisehatra amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety sy maro hafa miara-mientana amin’ny UNICEF amin’ny fampiroboroboana ny PFE (Pratiques Familiales Essentielles). Nisy ny hetsika fampahafantarana ny PFE ny zoma 29 novambra 2019 ka hatramin’ny 01 desambra 2019 teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Araka ny fanazavan’ny ny solontenan’ny UNICEF fa fanombohana ihany izy ity fa mbola ho aparitaka amin’ny onjam-peo miisa 294 manerana an’i Madagasikara ny fampahafantarana ny PFE. Hita ao anatin’izy ity ireo fihetsika enina tokony ataon’ny ray amandreny amin’ny zanany manomboka izy any am-bohoka ka hatramin’izy mahaleo tena. Ao anatin’izany ny fampinonon-dreny, fanaovana vaksiny ny zaza, ny fampitsaharana ny fidarohana zaza… Nambaran’ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety, Andrianaivonirina Anny fa afaka atao, tsy andoavam-bola kanefa mampiova zavatra be dia be ny PFE. Mivoatra kokoa ny zaza hoy izy raha ampiharina aminy ireo fihetsika ireo. « Izany indrindra no iarahanay amin’ny UNICEF satria afaka mampandroso ny vehivavy mpanao gazety, afaka mitarika fiovana », hoy hatrany izy. Tazana teny an-toerana ihany koa ny mpanazatra ny ekipa-pirenena malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra (Barea), Nicolas Dupuis. « Manana adidy amin’ny fahefana kely izay hananako aho. Hanampy ny ankizy sy ny UNICEF amin’izay vitako aho ary ho ataoko amin’ny foko izany », hoy izy nanazava ny antony handraisany anjara amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Ho fanampin’izay dia nilaza i Nicolas Dupuis fa laharam-pamehana ho azy izany, na dia amin’ny maha ray, mitaiza zanaka telo azy ihany aza.

Raha ny tarehimarika nomen’ny tomponandraikitry ny UNICEf dia misy zon’ny ankizy sasantsasany no voahaja eto amintsika. Mbola betsaka ihany koa anefa no tsy voahaja hoy izy. 20 % ny zaza malagasy mbola tsy manana kopia nahaterahana. Tahaka tsy misy izy ireny raha ny lalàna no jerena satria ny zo maha olom-pirenena mihitsy no very. Zaza 9 amin’ny 10 no iharan’ny herisetra ara-batana ao an-tokantrano sy an-tsekoly. Betsaka ny zaza mbola tsy vita vaksiny.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *