Portrait

Mampionona (Mister Teen Beauty Fashion) Mbola tsy mpilatro akory aho dia efa nikotra


Ramaroson Hery Mampionona no anarany. Teraka ny 30 may 1991 tao Antsiranana izy ary mipetraka eny Ambohidratrimo. 1,78 metatra ny halavany. Milanja 70 kilao izy. Mpilatro ao amin’ny « Women & Men agency » izy ary Taona fahadimy amin’ny « commerce et marketing internationnal » amina oniveriste tsy mianakina iray.HERY3

Nilatsaka an-tsitra-po tao amin’ny Vokovokomena malagasy ny tenany ary « encadreur » Vokovokomena amin’ny faritra Analamanga. Filohan’ny tanora mpilatsaka an-tsitra-po Vokovokomena distrika Ambohidratrimo koa izy… Ny nahatonga azy hiditra Vovokomena dia ilay fitiavana manao asa soa ho any mpiara-belona sy ny fitsinjovana manokana ireo marefo ary ilay fanaovana asa an-tsitra-po tsy mila tambiny ho an’izay mila izany. Olona tsotra, be fitiavana, tia mifandray amin’ny olona ary be hanihany izay izy.

HERY1

Ny mihira sy mandehandeha miaraka amin’ny namana no fialamboliny. Raha ny mikasika ny fanatanjahan-tena indray dia ny manabebe hozatra izao no nosafidiany. Mbola tsy nanao mpilatro ny tenany dia efa nikotrana, hoy hatrany izy. Nohamafisina fotsiny izany rehefa tafiditra tao anitin’ilay totolon’ny filatroana izy. Mba te ho tsara bika e ! Jejo raha teo ny tenany raha ny nambarany. Hafa ihany izany bandy tsara bika sy mahasarika maso izany, hoy izy.

hery

Raha eo amin’ny tontolon’ny lakozia dia tia mahandro izy na tsy manana traikefa be amin’izany aza. Tsy mifady sakafo ny tenany. Misy ny sakafo tsy zaka saingy tsy mihinana matetika fotsiny, hoy izy. Ny trondro no laoka tiany indrindra. Ny zavatra tena fadiana dia ny firaisana ara-nofo matetika. Ny tokony hatao kosa dia ny misakafo sy mikotrana ary ny matory tsara. Tsy azo atao ambanin-javatra ireo. Ary farany dia izy no voahosotra ho Mister Teen Beauty fashion tamin’ny andiany voalohany.

Ralantôpix


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *