Socio-eco

POLISY AM-PERIN’ASA: Mamono vady sady nanolana an-janany


Zava-piseho eny amin’ny fiaraha-monina eny ny famonoana vady, fanolanana ataon’ny raim-pianakaviana. Ny renim-pianakaviana hatrany no mizaka ny tsieran’ny aina amin’ny ataon’ny raim-pianakaviana. Tranga iray tamin’ny alin’ny 16 febroary 2019 tamin’ny 9 ora alina, tonga niantso vonjy sy nametraka fitoriana teny amin’ny  « Division de la Police des Mœurs et de la Protection des Mineurs » Tsaralalana ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany telo. Anton’izany ny vono sy ratra nahazo azy ireo tao an-tokantrano.

Eo ihany koa ny fanakorontanana ataon’ny raim-pianakaviana azy telo mianaka. Rehefa natao ny fanadihadiana an’ity raim-pianakaviana ity dia voaporofo tokoa fa nisy ny fandikan-dalàna nataony, hoy ny seraseran’ny polisim-pirenena. Fantatra ihany koa fa polisy am-perin’asa ary mpitarika sendikaly.  Nandritra ny famotorana natao azy ihany koa no nahafantarana fa nisy ny fanolanana miverimberina nataony tamin’ny zanany vavimatoa nandritra ny taona maro. Heloka tratra ambody omby no nataon’ity raim-pianakaviana ity satria vao niseho ny tranga dia nanantona ny polisy ireo tra-boina ary tsy nety nody intsony. Noho izany dia tsy nilaina ny fahazoan-dalàna manokana afahana manenjika ity polisy ity. Tao aorian’ny fitsarana azy ny fitsarana ny 20 febroary 2019 lasa teo dia notazomina  vonjimaika eny am-ponja ary miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay raim-pianakaviana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *