Socio-eco

POESAM ANDIANY FAHA-13 : Paodroa ny an’i Vahatraina Tanjona Ranjalahy


Lasan’ny Moli Company ny loka voalohany. Nampahafantarina ny 27 septambra 2023 ireo telo voalohany tamin’ny POESAM andiany faha-13 ( le Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient) tamin’ity taona 2023. Norombahan’i  Vahatraina Tanjona Ranjalahy ao amin’ny Moli Company ny loka volohany izay mitentina 8.000.000 Ariary miampy tolotra aterineto. Mbola lasany ihany koa ny lokan’ny vehivavy mpandraharaha izay mitentina 4.000.000 Ariary. « Orinasa « Agroalimentaire » ny Moli Company izay niorona tamin’ny taona 2020. Tetikasa hanaovana nomerika ho fampahafantarana ny vokatra, ny toerana niavian’ny vokatra sy ny fiainan’ireo tantsaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy  Vahatraina Tanjona Ranjalahy. Ny vokatra kafé no nanombohan’izy ireo ity tetikasa ity. Miara-miasa mivantana amin’ireo tantsa mpamokatra kafé any amin’ny faritra Itasy izy ireo. Fanohanana azy ireo no andraikitra raisin’ny Moli Company mba ho fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy hijanona amin’ny café ihany izy ireo fa hivelatra amin’ny vokatra hafa raha ny nambarany. Laharana faharoa i Sheron Ascione ao amin’ny Sparea Driver & Delivery. Vola mitentina 4.000.000 Ariary ho fankasitrahana azy miampy finday smartphones 4G. Joëlle Andrianarijaona ao amin’ny Inclusiv Academy ny laharana fahatelo ka nomena vola 3.000.000 Ariary ho fankasitrahana azy.

Miisa 120 ireo nifaninana tamin’ity POESAM 2023 ity ary 8 tamin’ireo no nanao ny famaranana. Marihana fa nanomboka ny taona 2011 no nikarakarany ity hetsika manome lanja ny nomerika ity izay nokarakarain’ny Orange.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *