Socio-eco

POESAM 2023: Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo Malagasy manana tetikasa misy fiantraikany amin’ny lafiny sosialy


Fifaninanana hanomezana tohana ara-bola ho an’ireo tetikasa mitondra ainga vao miompana amin’ny teknolojia vaovao sy fifandraisan-davitra ary misy fiantraikany mivantana amin’ny ara-tsosialy eto Afrika sy Moyen-Orient ny « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient » na POESAM. Nanomboka ny taona  2011 ny fifaninanana. Ireo tetikasa momba ny fanabeazana, fahasalamana, « e-commerce », fambolena ary mifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra no afaka mandray anjara. Efa nisokatra nanomboka tamin’ny 13 martsa 2023 ny fisoratana anarana ho an’ny  fifaninanana nasionaly ary manana hatramin’ny 21 mey  2023 ireo kandida manerana ny firenena 17 avy eto Afrika sy Moyen-Orient, ao anatin’i Madagasikara, handefa ny fisoratana anarana ao amin’ny https://poesam.orange.com/fr/candidater/. Ho fanampiana ireo kandida amin’ny famenoana ny fisoratana anarana atao «en ligne », nikarakara hetsika hanazavana izany ny Orange Digital Center Madagascar ny 18 aprily 2023. Fotoana ahafahan’ny kandida  mametraka fanontaniana momba ny POESAM ihany koa. Mbola hisy  ny hetsika hafa ho karakaraina mialohan’ny daty fara-fisoratana anarana ho fanomezana fanazavana fanampiny amin’ ny maha tomponandraikitra ny Orange, ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena sy sosialy, fanohanana ny aingavao ara-tsosialy sy ny tontolo iainana ary fampiroboroboana ny fandraharahana ny fifaninanana. « Anisany mampiroborobo ny nomerika ny Orange Madagasikara ary mifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ny fandaharanasan’ny orinasa ho an’ny fandraharahana. Mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny fanjakana malagasy ny an’ny orinasa. Maro amin’ireo fandaharanasan’ny Orange no mampiditra ny tanora amin’ny sehatrin’ny fandraharahana », hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange  Madagasikara. Raha ny eto Madagasikara dia  hisy solontenan’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fananganana tetikasa no handrafitra ny mpitsara ny fifaninanana. Hivory izy ireo  ary hisafidy tetikasa mendrika indrindra miisa 3. Mandray anjara avy hatrany amin’ny dingana faharoa, ny fifaninanana iraisampirenena, ireo 3 voasafidy.

Loka goavana miisa 3

Firenena 17 eto Afrika sy Moyen-Orient iasan’ny vondron’orinasa Orange no mandray anjara amin’ny POESAM.  Tetikasa miisa 10  amin’ireo tetikasa voasafidy hisolo tena isaky ny firenena no hosafidiana hiatrika ny dingana ny famaranana. Mpitsara sangany amin’ny resaka teknolojia no hitsara azy ireo. Mpifaninana 3 mendrika indrindra no ahazo ny loka goavana amin’ny volana oktobra na novambra 2023. Mitentina 25.000 Euros ny loka ho an’ny laharana voalohany. 15.000 Euros ny faharoa. 10.000 Euros ny fahatelo. Ankoatran’izany, mbola misy ihany koa ny loka « Prix Féminin International ». Natokana ho an’ny vehivavy tompona tetikasa, manome vahaolana ara-teknolojia hanatsarana ny fiainan’ny vehivavy ( mahaleo tena, famoronana, asa, fanangonana antontan-kevitra momba maha lahy sy maha vavy, fampisitrahana ny nomerika ho an’ny rehetra, fahafahan’ny rehetra mikirakira vola…) ity loka ity. Mitentina 20.000 Euros ny tohana ara-bola ho azon’izay voasafidy amin’izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *