Socio-eco

PLEASE SING ME MY SONG BEFORE YOU GO: Fampirantiana voalohany ataon’i Andrianoemarisoa Joël eny amin’ny toerana manan-tantaran’ny Hakanto Contemporary


Hivelatra kokoa amin’ny fampiroboroboana ny kanto sy ny kolontsaina malagasy ny Hakanto Contemporary. Hikatona tsy ho ela ny ivon-toeran’ny Hakanto Contemporary eny amin’ny Alhambra Gallery, toerana voalohany niorenany.  Eny amin’ny zone Filatex Ankadimbahoaka indray no foibeny, izay efa nisokatra ny volana septambra 2024. Ny fampirantiana “Please Sing Me My Song Before You Go” na “Mba vetsoy ilay hirako mialoha ny handehananao”  no hanaovam-belona ity toerana manan-tantara ity.  Fampirantiana  samirery sady  voalohany ataon’i Andrianoemarisoa Joël ao amin’ny ivon-toeran’ny Hakanto Contemporary  eny amin’ny Alhambra gallery izy ity. Ny horonatsary voalohany notontosain’ity mpanakanto malagasy ity no haranty mandritra ny iray volana, ny 12 aprily ka hatramin’ny 18 mey 2025.

Please Sing Me My Song Before You Go

Please Sing Me My Song Before You Go

Pejy vaovao

Andrianoemarisoa Joël

Andrianoemarisoa Joël

Niainga tamin’ny hira “iny hono izy ravorombazaha” ny aingam-panahy namoronan’ny mpanakanto ny horonantsary.  “Mampiseho fandaozana  sy fisarahana iny hira iny. Karazana fisarahana efatra no ho resahako anatin’ny horonantsary :  fisarahana  ara-pitiavana,  fisarahana sy fandaozana eo ami’ny zanaka sy ray aman-dreny, fandaozana ny tany iray – ohatra mandao toerana iray ka  hifindra amin’ny toerana iray ary  misy ihany koa ny resaka fahafatesana”, hoy i Andrianoemarisoa Joël, tao anatin’ny efitrano fampirantiana, ny 11 aprily 2025. Amin’ny alalan’ny sary sy feon-kira no hanehoany izany, mandritra 20 minitra ny horonantsary.  Mivoitra anatin’ny sangan’asany  ihany koa fikirakirana  akora samihafa toy ny lamba, ny vy… Notontosaina teto Madagasikara ny taona 2024 ny sarimihetsika, tamin’ny alalan’ny tetikasa niarahana tamin’ny IFA Gallery, mozea any Berlin.  Navoaka voalohany tany Berlin, tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fampirantiana « Measures Lullabies and Whispers » izany. Nambaran’ny mpanakanto fa tsy voatery ho toe-javatra mampahonena ihany ny fisarahana. “ Rehefa misaraka  dia mety  manomana  fiainana vaovao,  toy ny  mamaky boky, rehefa avadika ny pejy dia mety  ho tantara vaovao no ao”, hoy izy. Mifandray amin’izay fanakofana pejy vaovao ho ataon’ny Hakanto Contemporary izay ihany koa ity lohahevitry ny fampirantiana  ity, araka ny fanazavany.

Manohana ny mpanakanto malagasy

Anja Rama, Tale mpanatanteraky ny ivon-toerana Hakanto Contemporary

Anja Rama, Tale mpanatanteraky ny ivon-toerana Hakanto Contemporary

Manamarika kihon-dalana lehibe ho an’ny Hakanto Contemporary ny fampirantiana “Please Sing Me My Song Before You Go », araka ny fanazavan’i Anja  Rama, Tale mpanatanteraky  ny ivon-toerana  Hakanto Contemporary, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 11 aprily 2025. Nambarany fa  fampirantiana voalohany sady farany ho ataon’i  Andrianoemarisoa Joël, eny amin’ny Alhambra Gallery izy ity. Tao anatin’ny dimy taona niorenan’ny Hakanto Contemporary dia nipetraka teo amin’ny maha tale ara-javakanto ny ivon-toerana i Andrianoemarisoa Joël, nanohana  ireo mpanankanto , nikaroka ny fomba rehetra hanandratana ny haikanto malagasy. “Toerana manan-tantara ity Alhambra Gallery ity satria teto no niforonan’ny Hakanto Contemporary ”  hoy  i Anja  Rama. Nilaza izy fa ivon-toerana eto amin’ny Alhambra Gallery no hikatona fa mitohy any amin’ny sehatra lehibe kokoa ny fanandratana ny kanto malagasy. “Avo 10 heny noho io toerana io no hiasana, avo 10 heny ny famoronana sy ny fifanakalozana”, hoy izy. Mpanankanto 125 no notohanan’ny Hakanto Contemporary sy fampirantiana miisa 18 no nokarakarainy tao anatin’ny dimy taona. Nanohana  azy tamin’ny fanantaterahana izany ny Fonds Yavarhoussen.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *