Tsy mitsahatra manohana ny sehatry ny kolotsaina sy ny tanora ny Orange Madagascar. Fampisehoana miavaka ny « Play Lisitra by Orange et Kolotsaina Mainty », izay hotontosaina ny sabotsy 31 may 2025, manomboka amin’ny 12 ora atoandro, ao amin’ny Stade Barea, zone P2. Mpikalo ny gadona rap sy hip-pop malagasy malaza ankehitriny no andray anjara amin’ity fampisehoana goavana ity. Ahitana an’i ALF, FAB’S BROWNZ, LOUCKIM, RAO LOSSA, GEOSCAR, BERRIZ’AH, RNDR, YRIST,RATSILAHY, YO KENNY, KII BASS, SABOODAOK, SEPTIC, DOUBLE G, KIPIKILAHY BANDEM, FITIA… Eo amin’ny fampandihizana kosa ny DJ Yatang sy DJ Hman, raha i Barry Benson no eo amin’ny fanentana. Azo jifaina ao amin’ny ofisialy.com ny tapakila amin’ny vidiny 5 000 Ar. Mahazo fihenam-bidy 5% kosa raha mividy amin’ny Orange Money.
Mpitondra tenin’ny fiarahamonina sy mandrisika fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatry ny kolontsaina ny Kolotsaina Mainty. Fantatra amin’ny ady ataony ho an’ny fahalalahana miteny, fanoherana ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary mampiroboroboana ny kolontsaina an-drenivohitra. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatra hip-hop eto Madagasikara izy, amin’ny alalan’ny fanentanana ny tanora sy ny fomba hiatrehana ny olana ara-tsosialy.
Fiaraha-miasa miorina amin’ny soatoavina iombonana
Nateraky ny finiavana iraisana hanome sehatra ny tanora mpanakanto, hampiroborobo ny eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ary hanome lanja ny fahaiza-manao malagasy ity fiaraha-miasa eo amin’ny Orange sy ny Kolotsaina Mainty ity. Mampiseho ny fikasana iombonana hiaro sy hanandratra ny tanora, eo amin’ny ara-tsosialy, ary ny fanadratana ny kolontsaina an-drenivohitra izy ity. Nandritra ny 20 taona mahery ny Orange Madagascar dia naneho hatrany ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny sehatra ara-kolontsaina sy ara-mozika eto an-toerana. Manohana manokana ireo tanora vao misondrotra sy ireo hetsika an-drenivohitra izy, amin’ny fanomezana sehatra sy fanokafana varavarana ho amin’ny hoavy. Ho an’ny Orange, ny mozika dia hery mampiray sy manentana, manabe ary mampivoatra ny fiarahamonina malagasy.
Ra-Nirina