politique

Parlemantera teo aloha: “Aleo ny FFKM no hanelanelana”


Tsy mankasitraka ny fanelanelana ataon’ny vondrona Afrikanina momba ny raharaham-pirenena ankehitriny ny firaisan-kinan’ny parlemantera teo aloha (SAP). Ny FFKM no takian’izy ireo hanao ny fampihavanam-pirenena. Ny Malagasy ve no mikorontana dia vahiny no handamina? Tokony ny samy Malagasy ihany no hifampiresaka. Miantso ny ray aman-dreny FFKM ny SAP mba handray ny andraikiny ka hampamory ny hery velona rehetra. “Ho fitadiavana ny tombontsoa amboniny firenena no tanjona. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny SAP”, hoy ny filohany, Tsivaka Sylvain.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *