Socio-eco

PAM: Nohatsaraina ny sakafo omena ny ankizy any an-tsekoly


Maro amin’ireo mpianatra any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara no tsy misakafo maraina alohan’ny andeha hamonjy sekoly. Amin’ny 9 ora maraina dia efa noana izy ireo.  Miteraka tsy fifantohana ho azy ireo izany. Amin’ireo sekoly misitraka  ny tetikasa fampisakafoana an-tsekoly sahanin’ny ratsa-managaikan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM) dia aroso amin’ny 9 sasany maraina ny sakafo omena mpianatra ho fitsinjovana azy ireo. Nitombo 900 ny isan’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) misitraka ny tetikasa raha toa ka 800 izany tamin’ny taona 2021.  Mandrakotra faritra 8 sy distrika 18 ny fandaharan’asa. «Tsy mijanona amin’ny resaka ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany ny cantine scolaire fa tafiditra ao anatiny ihany koa ny fampidirana zaza an-tsekoly», hoy Ranaivoarivelo Marie Donna , tomponandriakitra voalohany misahana ny fampisakafoana an-tsekoly ao amin’ny PAM, nandritra ny fampirantiana an-tsary ny asa vitan’ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana eto Madagasikara momba ny fanatsarana ny fanabeazana, ny 12 oktobra 2022, teny Andraharo. Nambarany fa nohatsaraina ny sakafo omena ny mpianatra eo amin’ny lafiny habetsahana na ny kalitao. «Sakafo miovaova mitondra otrikana, hery sy ara-pahasalamana no omena mpianatra», araka ny fanazavany. Nambarany fa ho famporisihana ny ray aman-dreny handefa ny zanany any an-tsekoly, hahatonga ny ankizy hazoto hianatra sy hifantoka amin’ny fianarana ny  fampisakafoana an-tsekoly.  Ankoatra izany, fanatsarana lehibe nentin’ny fandaharan’asa ihany koa ny fampandraisana anjaran’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fokonolona. «Ny ray aman-dreny sy ny fokonolona no mikarakara ny   ny sakafo ao amin’ny cantine scolaire». Mba hampaharitra ny fanomezana sakafon’ny mpianatra dia vokatra eo an-toerana no vidiana.  30 dolara isakin’ny mpianatra isan-taona no tombam-bidin’ny sakafo omena ireo mpianatra misitraka ny fandaharan’asa. Miovaova arakarakin’ny vidin’entana io tetibola io.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *