Socio-eco

PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”


Fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Vola mitentina 300 tapitrisa Ariary sy fanomezana isan-karazany toy ny fanafody, “gel désinfectant”, ronono mandrimamy sy ny maro hafa  no voaangon’ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar) tamin’ireo orinasa maro teto Madagasikara sy ireo orinasa mpikambana ao aminy. Miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana OIT  (Organisation International du Travail) sy ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) amin’ny fitantanana io kitapo iombonana io sy ireo fanomezana ireo ny GEM. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2020 dia nandray an-tanana ny fisafidianana ireo mpisitraka ny tosika fameno sy ny fizarana izany ny PAM. Noho ny traikefa hananany dia manampy ny GEM izy amin’ny fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. “Fandaharan’asan’ny sehatra tsy miankina izy ity. Niantso ny OIT sy ny PAM ry zareo mba hanampy amin’ny fitantanana ireo fanomezana amin’ny fomba mahomby indrindra. Ny vola rehetra voaangona dia mirotsaka ao amin’ny kaonty eny amin’ny banky. Hametraka rafitra izahay mba hisitraka izany amin’ny fomba mahomby ireo mpahazo tombontsoa”, hoy ny tomponandraikitry ny PAM eto Madagasikara, Moumini OUEDRAOGO.

 “Noho ny krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranana naterak’izany dia ho tsinjaraina amin’ireo  mpiasa marefo  sy ny fianakaviany ireto fanomezana ireto”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry.  Mpiasa 2000 no hisitraka ny “vatsy firaisankinan’ny oriansa” ka samy hahazo iray hetsy Ariary avy izy ireo. Miampy tolotra ara-tsakafo kosa izany ho an’ireo tena marefo. Ireo kely karama, ny faharetan’ny fampiatoana ara-teknika, ny fotoana naha-voaroaka, ny maha-mpiasa vehivavy, ny fahasembanana sy ny fianakaviana maro an-trano no mason-tsivana  nifantenana ireo mpahazo tombontsoa tamin’ity andiany voalohany ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *