Sport

PADEL : Mpanazatra sy mpilalao miisa 40 nahazo fiofanana


Fampiakarana ny lentan’ny padel eto Madagasikara. Tonga eto Madagasikara i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena momba ny fanatanjahantena “padel”. Nanomboka ny taona 2014 izy no mpanazatra ary mpilalao “padel” nanomboka ny taona 2008.  Nanasa azy ho avy eto amintsika ny Malagasy Pro Padel Tour (MPPTour) ho fanatanterahana ny fandaharan’asa MPPTour Performance. Nampiofana ireo mpanazatra sy mpilalao padel malagasy  izy , nandritra ny telo herinandro. Mpanazatra miisa 16, antsasaky ny isan’ny mpanazatra malagasy sy mpilalao 30 no nahazo traikefa taminy. Nanomboka ny 10 aprily 2024 teo ny fiofanana ka nozaraina ny 23 aprily  2024, teny amin’ny Lamakoo Padel Center Ambatobe ny taratasy fanamarinam-pahavitam-piofanana. “Ambony ny lentan’ny padel malagasy na dia mbola misy aza ny teboka mbola hatsaraina”, hoy i Julien Bondia, mpanazatra frantsay avy any Espagne, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 23 aprily  2024. Manana vina hanome fiofanana hahazoana mari-pahaizana ankatoavin’ny iraisam-pirenena izy, araka ny fanazavany. Nanambara i Gary Ah-Waye, iray amin’ireo mpanorina ny MPPTour fa ho fanandratana avo ny padel eto Madagasikara ny fandaharan’asa MPPTour Performance. “Tena gaga izahay amin’ny hafanam-pon’ireo mpilalao. Tena maniry ny hivoatra izy ireo », hoy izy.

Anisany mpanohana ny MPPTour ny Orange Madagascar, hatramin’ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny roa tonta dia lasa mitondra ny anarana  Orange MPPTour ny lalao karakarain’ny MPPTour. Manohana ny lalao rehetra mandritra  ity taona ity ihany koa ny orinasa. Ho fampivoarana ity taranja ity eto Madagasikara no tanjon’ny fiarahamiasa. “ Tsotra ny fandraisana andraikitra ataon’ny Orange Madagascar, ny fampandrosoana ny padel eto Madagasikara. Ny fandaharan’asa iarahana amin’ i Julien Bondia dia mamaly tanteraka izany tanjona izany. Afaka nanome tantsoroka ireo mpanazatra eto an-toerana izy, sady nanome ny lakile ahafahan’ireo mpilalao mandresy amin’ny alalan’ny teknika sy lenta. Afaka mifaninana tsara amin’ny Nosy rahavavy sy Afrika tsara ny padel malagasy vokatr’izany”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange eto Madagasikara. Tsara ho fantatra fa efa ho dimy taona no niditra teto amintsika ity karazana fanatanjahantena ity ary manomboka miroborobo izany. Taranja mitovy amin’ny tennis ny padel fa ao anatin’ny toerana mifefy vita amin’ny “vitres”  sy “grillages” kosa no hilalaovana azy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *