Socio-eco

ORINASA MIARA-MIASA AMIN’NY JIRAMA: Nanaiky ny fepetra takiana amin’izy ireo


Fotoana nandrasan’ny mpampiasa ny herinaratra avy amin’ny Jirama ny zoma 22 febroary 2019 teo. Nivoaka tamin’ny famaranana ny herinandron’ny angovo io  ny vahaolana maharitra hanafoanana ny delestazy. Efa nisy ny fepetra vonjimaika noraisin’ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo nanafoanana ny delestazy  teto Antananarivo. Hitohy any amin’ireo tanàna enim-polo mbola ahitana fahatapahan-jiro matetika izany. Mila jerena isaky ny tànana anefa ny vahaolana, araka ny fanazavan’ny ministry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga.

Ankoatra ny fampiasàna ny toby famokarana avy amin’ny solika, vahaolana ho entina hanafoanana ny delestazy ny fanamboarana toby famokarana herinaratra avy amin’ny tohan-drano sy herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. “Ny ankamaroan’ireo orinasa manana “contrat” amin’ny Jirama, indrindra ny orinasa lehibe izay niresaka taminay dia nanaiky marina ny fomba vaovao izay natolotray. Ry zareo no mikarakara ny groupe, ry zareo ny mpamatsy solika io groupe io, ny Jirama no mividy ny jiro”, hoy ny ministry ny angovo.Mba hampidinana ny vidin-jiro dia paik’ady lavitr’ezaka ny fanamboarana toby famokarana herinaratra avy amin’ny tohan-drano sy  fampiasàna ny herinaratra amin’ny masoandro.

Nanamafy ihany koa ny ministra fa mila jerena akaiky ny “tarif de péréquation” satria tsy mitovy ny vidin-jiro eto Antananarivo sy ny Antsiranana. Avo roa heny ny vidin-jiro any Diego. Ho tazomina hatrany anefa ny “tarif social” ho an’ireo fianakaviana manana herinaratra kanefa tsy afaka mandoa ny vidiny tsotra. Mandray vonona sisa ny anjaran’ny Jirama io tolo-kevitra nomen’ny fanjakana ireo orinasa miara-miasa aminy. Ho votsotra eo am-pelantanan’ny fanjakana ve izany ny Jirama? Izay vidin’ny jiro avy amin’ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny solika atolotry ny orinasa eo izany dia ho zakain’ny mpanjifa avokoa?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *