Nitondra fanampiana sy fankaherezana tany Manakara ny ekipan’ny Airtel Madagascar taorian’ny hetsika tany Morondava. Mpianatra tao amin’ny EPP Tanakidy Manakara indray no nozarain’ny orinasa fitaovam-pianarana ny 18 oktobra 2022. Ireo mpianatra telo mendrika isakin’ny kilasy no nahazo izany. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpampianatra. Ordinateur iray, routeur miaraka amin’ny 50 Go azo ampiasaina hatramin’ny faran’ny taom-pianarana , kitapo miisa 48, penina 50 isa, trousses 20 isa, kahie 125 ary T-shirts 44 isa sy carte SIM ho an’ny mpandraharaha no nentin’ny ekipan’ny Airtel ho an’ny EPP Tanakidy. « Ao anatin’ny politika momba ny fandraisan’andraikitrin’ny orinasa amin’ny lafiny sosialy ny hetsika tahaka izao mba ahafahan’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana mahazo fitaovana sy hampitoviana ny ankizy rehetra mba hahomby sy afaka misitraka fampandrosoana tena izy », hoy i Eddy Kapuku, Tale Jeneralin’ny Airtel eto Madagasikara. Nohamafisiny tamin’io fotoana io fa ny fihetsika tahaka izao dia manana tanjona mazava : « ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fividianana fitaovam-pianarana ». Mifanindran-dalana amin’ny soatoavina napetrakin’ny orinasa : mahery fo amin’ny fananatanterahana ny andraikitrany, firaisankina ho an’ny fiarahamonina Malagasy, ny fanajana ny mpampianatra izay mpisehatra lakilen’ny fampandrosoana ny fanantaterahana ity hetsika ho an’ny fanabeazana ity.
Ra-Nirina