Socio-eco

ORINASA MANDRAY ANDRAIKITRA ARA-TSOSIALY: Manampy ny tanora sy vehivavy hahaleo tena ara-bola ny Orange Madagascar


Sehatra iray mamorona asa ny firoboroboan’ny teknolojia vaovao. Mampiofana ny vehivavy hahaleo tena ara-bola sy ny manampy ny tanora hanana asa ami’ny alalan’ny nomerika ny Orange Madagascar.

Ao anatin’ny fandaharanasa ny miompana amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny nomerika ny « Maisons digitales pour les femmes » sy ny « Orange Digital Center » na ODC. Manome fiofanana ny vehivavy mandritra ny telovolana  momba fampiasana fitaovana nomerika (logiciel bureautique …), ny fandraharahana, ny fitantanam-bola ny “Maisons digitales pour les femmes”. Efa 40 mahery ny  ivon-toerana manerana an’i Madagasikara. Miara-miasa amin’ireo fikambanana ny tetikasa. Manome tohana ara-pitaovana, toy ny solosaina, tablettes sy ny maro hafa ity ivon-toerana momba nomerika natao ho an’ny vehivavy ity ny Orange. Mampiofana maimaimpoana ireo tanora tsy an’asa na manana diplaoma na tsia kosa ny fandaharan’asa ODC.  Fiofanana momba ny asa manodidina ny nomerika no omeny ny ivon-toerana. Manohana ireo manana tetikasa ihany koa.  4000 ny mpiofana efa nivoaka tao ka tovovavy ny antsasak’izy ireo. Efa manana asa ny 1000 mahery. Tetikas 30 no efa nahazo tohana ara-teknika.Tsy ireo ihany no tetikasa sahanan’ny orinasa amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy fa eo ihany ko ny « sekoly nomerika » ho an’ireo sekolim-panjakana ambaratonga faharoa. Mandray anjara mavitrika amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, amin’ny alalan’ny fanodidina ireo akora azo ahodina, fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanentanana ny mpiara-belona ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fihetsika tokony atao iadiana amin’izany ny orinasa. Tsy adino ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampiroboroboana ny fahasalamana.

Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ireo voalaza rehetra ireo ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange. 200 ny isan’izy ireo manerana ny faritra 23. Nampahafantarina nandritra  «Village Engage For Change », ny 6 sy ny 7 desambra 2024, teny amin’ny ODC Soarano  ireo asa ataon’ny orinasa amin’ny fampandrosoana ny mpiara-belona. « Natao ampahafantarana ireo mpiara-miasa sy ny asa rehetra ataon’ny Orange, eo amin’ny lafiny fiarahamonina na ato anatiny na any ivelany ity hetsika ity. Ahafahan’ny rehetra mahaleo tena amin’ny asa fitadiavam-bola no tanjona. Ohatra, ny Maison digitale mampianatra ny  vehivavy momba ny teknolojia, ny  Orange Digital Center mampianatra tanora amin’ny fampiasana ny nomerika. Manampy azy ireo amin’ny fitadiavana asa sy  manampy amin’ny famoronana asa ireo tetikasa ireo », hoy i Rakotomanana Aroniaina, Tale misahana ny arak’olona (DRH) ao amin’ny Orange Madagascar, nandritra ny fanokafana ny  «Village Engage For Change ». Ampirantiana mandritra ny hetsika ny vokatra vokarin’ireo vehivavy misitraka ny tetiakasa « Maisons Digitales pour les Femmes ». Afaka manao fitiliana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ny VIH/SIDA sy fizahana momba ny homamiadan’ny prostaty ihany koa ny mpitsidika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *