Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Voasafidy ho isan’ireo sekoly nomerika ny CEG Ambatomanjaka Miarinarivo


Fandaharan’asa natao hisitrahan’ny zaza Malagasy ny nomerika, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana fa indrindra  hampihenana ny elanalenana noho ny firoboroboan’ny nomerika ny “sekoly nomerika”. Ny Orange Solidarié Madagascar, fikambanana ara-tsosialy ao amin’ny orinasa Orange Madagascar no misahana izany. Ho an’ny taom-pianarana 2022-2023 dia anisan’ireo sekoly nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena hisitraka ny tetikasa ny CEG Ambatomanjaka.  Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 16 janoary 2023 ity sekoly nomerika ao Miarinarivo Itasy ity. Natolotra tamin’io fotoana io ihany koa ireo fitaovana nomerika toy ny  “tablettes”, “serveur”, “ordinateur portable” ary “projecteur”. Mpianatra 520 no hahazo tombony amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Nanome fiofanana ireo mpampianatra ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange momba fampiasana azy ireo ho fanamorana   ny fampitàna ny fampianarana. Ankoatra izany, nohavaozina ity CEG namboarina ny taona 2014 nandritra ny fanombohana ny Village Orange tao Ambatomanjaka ity.

Marihana fa nanatrika ity lanonana ity i Arson Benja – Filohan’ny Orange Solidarité,  Elodie Prisca Ranjanoro – Mpanorina ny Compassion Madagascar, ireo manam-pahefahana ao an-toerana toa an’ny Jeneraly Andriamanana Maherizo, ny Governoran’ny faritra Itasy ary  Rakotondrasoa Fetra – Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *