Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Voarain’ny CCO Ivato ireo fanomezana andiany fahatelo


Novokarina tao amin’ny “FabLab Solidaire Mamiratra”. Nanolotra fanampiana ho an’ny CCO (Centre de Commandement Opérationnel) eny Ivato ny Orange Solidarité Madagascar ny 13 aogositra 2020. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Josie Andrimbeloma fa  natokana ho an’ireo ivon-toeram-pitsaboana  ao amin’ny faritra Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Anosy, Diana, Analanjirofo, Bongolava, Menabe, Sava, Sofia, Haute Matsiatra ary Boeny ireto « visières de protection » miisa 2.000  sy  « flacons de gel hydroalcoolique » miisa 21.000 ireto. Hahazo anjara amin’izany ihany koa ny SOS Villages d’Enfants sy Compassion Madagascar. Araka ny fanazavany hatrany fa famenon’ireo fitaovana natolotra tamin’ny 18 aprily 2020 sy tamin’ny 16 jona 2020 izy ireto ary fanehoana ny fahavonan’ny Orange Madagascar amin’ny fanahonana ny fitondram-panjakana manoloana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity.

Nambarany fa novokarina tao amin’ny “FabLab Solidaire Mamiratra” ireto « visières de protection ». Tsara ho fantatra fa ny faran’ny taona 2015 no notokanana ity ivon-toerana ity izay miorina ao amin’ny SOS Village d’Enfants Andrainarivo. Toerana iray ahafahana mifehy  teknolojia nomerika,  mampivoatra ny fahaiza-manao amin’ny lafiny nomerika sy miomana amin’ny sehatry asa any aoriana any.

Nirina R.


One comment on “ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Voarain’ny CCO Ivato ireo fanomezana andiany fahatelo

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Voarain’ny CCO Ivato ireo fanomezana andiany fahatelo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *