Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Nanolotra fanampiana ho an’ny kilasy ASAMA


Tamin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity dia ankizy sahirana miisa 210 ao amin’ny kilasy ASAMA (Action scolaire d’appoint pour les Malgaches adolescents ) izay karakarain’ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina no nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar ny 10 septambra 2021 teny Ankorondrano. Misandrahaka amin’ny  kilasy fito  ireo mpianatra ireo. Nahitana kitapo, cahier,  stylos, crayons…Fitaovana entina hiatrehana ny fanadinana CEPE. Nomena aron’akanjo (blouses) ny mpampianatra ary tablier ho an’ny mpianatra. Navaozina ny solaitra be, nolokoina ny trano fianarana, ary namboarina ireo tables bancs. Tanjona ny hanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’ny fampianarana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana. Eo ihany koa ny ampiakarana ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ho 61 isan-jato, ny fahafahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly (55,4%), ary ho 73% ny ankizy mianatra any amin’ny fanabeazana fototra, hoy ny filohan’ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina, Pascale Wybo. Nanolotra izany fitaovam-pianarana izany ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson niaraka tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny orange Madagascar.

Ity tetikasa ASAMA ity dia netina nanampiana ireo ankizy 11 taona izay niala an-daharana tany an-tsekoly ka hiverina hianatra indray. Ity tetikasa ity dia avy amin’ny UNESCO  niarahany tamin’ny ministeran’ny fampianarana (MEN), oniversite ny Fianarantsoa ary ny FFF Malagasy Mahomby.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *