Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ireo olona miaina miaraka amin’ny autisme


Mbola betsaka ny ezaka tokony atao amin’ny fanohanana ireo olona miaina amin’ny « autisme » eto Madagasikara na dia efa misy aza ny asa efa vita. Nanomboka ny taona 2021, nanapa-kevitra ny  Orange Solidarité Madagascar fa hanampy ny federasiona eto Madagasikara momba ny “autisme” (AuFéM). Nanamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanampiana ny AuFéM amin’ny fanentanana momba ny « autisme » ity fikambanana ara-tsosialy ao amin’ny Orange Madagascar ity. Ho fanaramihana izany dia niroso tamin’ny fifanavaon-tsoniam-piarahamiasa vaovao i Benja Arson, Filohan’ny fikambanana sy i Julien Razafindratsimba, Filohan’ny AuFéM, ny 30 aprily 2024. Miompana amin’ny fanabeazana, fanatanjahantena sy ny nomerika ny tohana omen’ny Orange Solidarité.

Hampitombo ny hetsika fanentanana momba ny « autisme » sy hanatsara ny andavanandrom-piainan’ireo olona miaina amin’ny « Troubles du Spectre Autistique » na  TSA ity fiarahamiasa ity. Hanohana ny AuFéM amin’ny fanavaozana ireo foto-drafitrasa eny amin’ny ivon-toerana  mandray an-tanana « autistes » miisa roa (02) ao Ambohidratrimo sy Antsirabe ny fikambanana. Hanampy ihany koa amin’ny fividianana ireo fitaovam-pampianarana sy fitaovana ilaina amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Ankoatra izany, hanome fitaovana informatika ho an’ny ivon-toerana miisa valo (08), mpikambana ao amin’ny federasiona sy connexion internet hampandehanana izany  ny fikambanana. Tafiditra ao anatin’ny fandraisan’andraikitry ny orinasa Orange Madagascar,  amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fitoviana amin’ny resaka nomerika sy fiarahamonina tsy manavakavaka ny fiarahamiasa tahaka izao. Ankoatra ny fifanaovan-tsonia dia nisy ny famelabelaran-kevitra misokatra ho an’ny daholobe mitondra ny lohateny « Faisons briller l’autisme à travers l’inclusion », ny 30 aprily 2024, ho famaranana ny iray volan’ny fanentanana momba ny “autisme”. Niarahana tamin’ny DENF na « Direction de l’Éducation Non-Formelle »  ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) izany. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny Filohan’ny AuFéM, manam-pahaizana momba ny saina (psychologue), mpanabe ary mpampiofana momba fanabeazana mampiaty avy ao amin’ny MEN. Maniry ny ahafahan’ny rehetra tsy ankanavaka misitraka ny fampianarana eny anivon’ny sekoly ny DENF sy MEN mba ahafahan’ny zaza miaina amin’ny « autisme » misitraka fanabeazana. Mbola betsaka anefa ny ezaka mila atao  na amin’ny lafiny foto-drafitrasa na  rafitra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *