Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Lisea teknika sy fampiofanana arak’asa miisa 3 ao Itasy ametrahana toerana ahafahana mandalina ny tontolon’ny nomerika


Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 24 oktobra 2022 ny lisea teknika sy fampiofanana arak’asa (LTP)  ao Arivonimamo. Trano fianarana 3, trano natokana ho an’ny fitantanana ny sekoly, efitrano hanaovana fampiharana ary trano fidiovana sy fahadiovana miisa 4 no mandrafitra ity lisea vaovao ity. Lalam-piofanana maro no kasaina ho ampianarina ao fa ny resaka fambolena no efa vonona sy efa nahazo fankatoavana amin’izao fotoana izao. Hanolotra dabilio amenoana ireo efitrano fianarana 3 ny Orange Solidarité Madagascar.  Noho ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fampianarana teknika, fampiofanana arak’asa (METFP) amin’ny Orange Solidarité Madagascar sy Fondation BOA Madagasikara dia anisan’ireo LTP 3 ao amin’ny faritra Itasy ametrahana toerana handalinana ny tontolon’ny nomerika ny LTP Arivonimamo. Ao amin’ny LTP Miarinarivo sy Soavinandriana ny  lisea 2  ambiny. Notanterahina nandritra fanokanana ny lisea Arivonimamo ny fifanaovantsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Ministrin’ny fampianarana teknika sy fampisehoana arak’asa – Rahantanirina Vavitsara Gabriella, ny  Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara – Frédéric Debord, ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar – Arson Benja ary Filohan’ny Fondation BOA Madagasikara – Sidika Akbaraly. Manohana ity tetikasa ity ihany koa ny

Faritra Nouvelle-Aquitaine. Manana vina hanatsara ny kalitaon’ny fampiofanana amin’ny sehatrin’ny teknolojia, informatika ary fifandraisana ny  ministera sy ireo mpiara-miasa aminy noho ny fisian’ity toerana handalinana ny nomerika ity. Manoloana izany dia hanome fitaovana informatika an’ireo lisea 3 voakasikin’ny fiarahamiasana ny Orange Solidarité sy ny Fondation BOA. Ho fanitarana ny fahaizan’ireo mpiofana amin’ny sehatrin’ny informatika no tanjona. Vinavinaina ho 396 isan-taona ny mpiofana ho raisina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *