Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Foto-drafitr’asa maro no namboarina sy nohavaozina tany Antalaha


Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra 2023 tao Antalaha ireo foto-drafitr’asa namboarina sy nohavaozina tao amin’ny village Orange Ambodarifia et le village des Lépreux Mahevadoany. Nanatrika ny lanonana fanokanana i Arson Benja – Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Marie-Hélène Kam Hyo- Filohan’ny ONG Macolline, Nasira Julien- Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antalaha, Heritiana Charles Olivier – Lehiben’ny distrikan’Antalaha, ary Ingarika Dominique- PDS an’Antalaha. Fanavaozana ny trano fisakafoan’ny mpianatra sy toeram-pidiovana, fametrahana jiro eo an-tokontany izay hitoeran’ny trano fisakafoan’ny mpianatra ary  fametrahana paompin-drano ho an’ny mponina sy ny mpianatra no natao tao amin’ny Village des Lépreux Mahevadoany. Foto-drafitr’asa maro ihany koa no namboarina tao amin’ny Village Orange Ambodirafia Cap Est. Nametahana jiro (lampadaires) ihany koa ny tanàna. Ankoatra izany, nanome « lampadaires » ny Site Macolline Antalaha ho fanazavana ny ivelan’ny trano fanomezana fanampim-panazavana ireo mpitsidika ny tanàna ny Orange Solidarité. Tsara  ho fantatra fa niara-nanao sonia fiarahamiasa ny Orange Solidarité sy ny ONG Macolline ny 31 martsa 2023. Ho fanamboarana foto-drafitr’asa vaovao sy ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa ao amin’ny  Village Orange Ambodirafia Cap Est no tanjona. Voakasiky ny fiarahamiasa ihany koa ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa ao amin’ny Village des Lépreux Mahevadoany. Efa nanomboka ny taona 2012 ireto  tanàna roa ireto no efa notohanan’ny Orange Solidarité sy ny Fondation Orange.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *