Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ MADAGASCAR : Asa sosialy maro no hotanterahina mandritra ny volan’ny firaisankina


Hanatanteraka asa sosialy  maro ny fikambanan’ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange Madagasicar ho fanamarihana ny volan’ny firaisankina. Santionany amin’ny asa nataon’ny Orange Solidarité Madagascar ny fanavaozana ny CEG Ambohipo. Niara-nirona nandoko ny efitranon-tsekoly hianaran’ireo mpianatra – kilasy fahaenina sy fahaefatra – ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo izay notarihan’i Arson Benja,  Filohan’ny Orange Solidarité, ny 8 desambra 2023. Ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo sy ny volan’ny firaisankina ity hetsika ity.

Mikarakara hetsika firaisankina ihany koa ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo manerana ireo faritra ahitana ny Orange Madagasicar, mandritra ny volana desambra. Ao anatin’ny fanamarihana volan’ny firaisankina no hanaovana ny hetsika « noely firaisankina » izay hanampiana  ireo zaza marary eny amin’ny hopitaly. Hizara hafaliana ho an’ireo ankizy marary eny hopitaly ihany koa ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo eto Antananarivo.

Niforona ny taona 2011 ny fikambanana Orange Solidarité. Miasa ho an’ny vondron’olona eny ifotony ny fikambanana mba hampivoatra azy ireo sy hananan’ny rehetra fitoviana amin’ny alalan’ny nomerika sy hetsika ara-tsosialy sy ara-toekarena. Miompana amin’ny fahasalamana, fanabeazana, fampivoarana ny tanora sy vehivavy amin’ny alalan’ny nomerika sy fanampiana isan-karazany ny sahan’asa ataony.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *