Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE: Fianakaviana sy ankizy sahirana anarivony hihanoka ny noely am-pifaliana


Zava-dehibe ny fizarana fanomezana mandritra ny vanim-potoanan’ny noely sy ny fetin’ny faran’ny taona. Fomba fanaon’ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité de Madagascar ny mikarakara “noely firaisainkina” mba ahafahan’ireo fianakaviana sy ankizy sahirana, ankizy marary ary beantitra mihanoka ny fetin’ny noely am-pifaliana. Nanolotra “pack krismasy” ho an’ny ankizy sahirana maherin’ny 400 sy ny beantitra tazaina eny amin’ireo akany fitaizana ambany fiahian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Orange Madagasikara ny 23 desambra 2021. Ahitana vary 2 kilao, menaka 1 litatra, akoho velona (poulet de chair) 1, sardine amin’ny boaty 1, spaghetti 1 fonosona ary ranom-boankazo amin’ny tavoahangy ity “pack” ity.

Nandalo teny amin’ny hopitaly  5 manana  sampandraharaha misahana ny zaza ihany koa ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange. Nankahery ireo ankizy marary 300 ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), hopitaly Soavinandriana, hopitaly Joseph Raseta Befelatanana, hopitaly misahana ny zaza ao Tsaralalana sy Ambohimiandra izy ireo ary nitondra “pack krismasy” misy kilalao sy boky ho azy ireo. Ny fikambanana “Trait d’Union” mpiara-miasa amin’ny Orange Solidarité no nanome ireo boky nozaraina ireo. Ankoatra izany, ankizy 700 teny amin’ireo fokontany marefo eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra ihany koa no nahazo “pack krismasy” ahitana kilalao, vatomamy sy zava-pisotro.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *