Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE DE MADAGASCAR: Sekolim-panjakana 30 samy hahazo « kit numérique »


Nanavao ny fiarahamiasany  amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ny Orange Solidarité de Madagascar momba ny fandaharan’asa « écoles numériques”. Ny 23 novambra 2021 no niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Ministry ny fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala sy ny filohan’ny Orange Solidarité de Madagascar, Benja Arson. Ho an’ny taona 2021-2022, miampy 30 isa ny sekolim-panjakana ho lasa sekoly nomerika. Samy hahazo « kit numérique » ny sekoly tsirairay. Ahitana Laptop 1 , tablettes 25, casques 25, serveurs Raspberry 2, vidéoprojecteur 1 miaraka amin’ny écran, Powerbank, multiprises io kit io ary efa ao anatin’ny serveurs ireo programa ampianarina ireo mpianatra. Hanome fiofanana ireo mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo ny orinasa Orange Madagascar  amin’ny alalan’ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo.

Mifanindran-dalana amin’ny politikan’ny MEN ity programa sekoly nomerika ity  dia ny fametrahana ho laharam-pamehana ny fanabeazana mampiaty, ny fanabeazana tsara kalitao azo sitrahan’ny rehetra. « Amin’ny alalan’ny programa sekoly nomerika dia mandray ny andraikiny ny Orange amin’ny fampisitrahana ny olon-drehetra ny nomerika ; mandray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana amin’ny fifehezana ny nomerika,  amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary fanampiana ny mpianatra rehetra hisitraka ny fanabeazana nomerika na aiza toerana misy azy na avy aiza ny fiarahamonina nipoirany », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord. Nanomboka ny taona 2014 no mankaty, tablettes  6.000  no  notsinjaraina tamin’ny sekoly 157 manerana ny faritra 22.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *