Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE DE MADAGASCAR -CUA : Miverina misokatra ny « maisons digitales » manerana ny boriborintany 6


Fiofanana momba ny informatika sy internet, famolavolana drafitr’asa, fanabeazana momba ny fitantanam-bola, fitantanana ary fampianarana momba ny fitantanam-bola eo anivon’ny orinasa madinika sy salantsalany  (TPE/PME) no omen’ny « Maison Digitale ». Mandritra ny telovolana ny faharetan’ny fiofanana. Tsy ny vehivavy ihany no afaka miofana ao fa mandray lehilahy ihany koa. Hanampy ireo vehivavy marefo  hahavita tena, indrindra amin’ny lafiny ara-bola no  anisan’ny tanjon’ny Fondation Orange. Notanterahina ny fandaharan’asa « Maisons digitales pour les femmes » ahafahana mampiofana ireo vehivavy sy manosika ny tetikasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny fikambanana. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny  Ben’ny tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)-Naina Andriantsitohaina, ny Filohan’ny ny fikambanana  Madagascar Women in Action (MWA) – Fanja Razakaboana ary ny Filohan’ny Orange Solidarité de Madagascar – Benja Arson ny 04 oktobra 2022 ho famerenana ny fanokafanana ireo « Maisons digitales » eny anivon’ny boriborintany enina.  Eny amin’ny birao monisipaly misahana ny asa (BME) napetrakin’ny kaomininia isakin’ny boriborintany no toerana ahitana ny “Maison digitale”. Vehivavy miisa 1180 isan-taona no hahazo fiofanana, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Orange Solidarité de Madagascar.

Ankoatran’izany dia nanolotra fitaovana nomerika, connexion internet, finday ho ampiasaina ao amin’ny   “Maisons digitales” ny Orange Solidarité.  Hiantoka karazam-piofanana ho an’ny mpampiofana isakin’ny “Maison digitale” ihany koa ity fikambanana misahana ny fandaharan’asa “Maisons digitales” ity.  Ho apetraka ihany koa ny vondrona misahana ny tahirim-bola  ahafahana mamatsy vola ny tetikasan’ireo vehivavy. “Mitàna andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana  ny vehivavy ary maniry mafy izy ireo ny hianatra sy hahavitan-tena. Mifanaraka amin’ny filàn’izy ireo ny fisian’ny « Maisons digitales  pour les femmes ».  Firosoana amin’ny fahavitan-tenan’ny vehivavy ihany koa ny fanaovana fiofanana momba ny nomerika », hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara, Frédéric Debord. Nanomboka ny taona 2013, vehivavy maherin’ny 9000 no nahazo fiofanana tamin’ireo « Maisons digitales pour les femmes » naparitaka manarena ny Nosy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *