Socio-eco

ORANGE SCHOOL: Miasa avy hatrany rehefa vita ny fiofanana


Mpianatra 31 nahavita fiofanana momba ny fifandraisana amin’ny mpanjifa (relation-client). Efa nandray ny asany avy hatrany ny ampahany amin’izy ireo taorian’ny fiofanana telo volana. Mbola malalaka ny tsenan’asa raha eo amin’ny sehatry ny “téléopérateur” sy “téléconseiller”. Manofana tanora liana amin’io sehatra io ny Orange School. Manao “stage avy hatrany ny mpianatra mandritra ny fotoana hianarana. Ho an’ireo andiany faha-31 sy 32 nivoaka ireo izao, ny toeram-piasana nanaovan’izy ireo “stage” ihany no tonga dia ndray azy ireo ho mpiasa raikitra. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fiofanana ao amin’ny Orange School, Rija RAHAJARIZAFY fa lalam-piofanana manampy amin’ny fahazoana asa haingana no omen’ny Orange School. Tonga dia miasa avy hatrany aorian’ny fiofanana. Miara-miasa amin’ireo orinasa momba ny “relation-client”, varotra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (en ligne) izahay. Ireo orinasa ireo ihany no hanaovan’ny mpiofana « stage ».
Misokatra ho an’ny tanora manana diplaoma bakalorea no miakatra ny fiofanana ao amin’ny Orange School. Takiana aminy ny fifehezana ny teny frantsay manomboka amin’ny sokajy B2 izay manaraka ny fanasokajiana eropeanina (DELF).
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *