Sport

ORANGE PRO LEAGUE : Hafindra toerana ny lalao tokony atao eny Vontovorona


Efa manakaiky ny fifaranan’ny « Orange Pro League ». Mikarakara « soirée Awards » ho fankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpiantsehatra mivantana amin’ny lalao fifaninana « Orange Pro League » ny  « l’association des clubs de football élites de Madagascar» (CFEM). Hisy ny fanomezana loka ho an’ireo mpilalao mendrika indrindra, mpampiditra baolina be indrindra, ny mpanazatra mendrika indrindra…Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahatena ny mpikarakara amin’ny fifidianana ireo mendrika rehetra sy ny sokajy hanomezana izany fankasitrahana izany nandritra ity fifaninana ity. Ho tontosaina amin’ny volana jolay ny hetsika.

Mizotra araka ny tokony ho izy kosa ny fifaninana rehetra amin’ity « Orange Pro League » ity. Miditra amin’ny andro fahaeninambinifolo ny fifaninana. Noho ny fandraisana ireo olona atoka-monina eny amin’ny misy ny kianjan’ny CNaPS Sport Vontovorona momba ny COVID-19  kosa anefa dia hafindra eny amin’ny kianjan’ny Carion  avokoa ny lalao rehetra tokony atao eny Vontovorona. Ny sabotsy 21 Martsa 2020 amin’ny 12 ora ny lalao CNaPS Sport sy ny 3FB Toliary ary ny Alahady 22 Martsa 2020 kosa ny AS Adema sy ny AS JET Mada. Noho ny fanamboarana ny kianjan’i Barikadimy Toamasina dia hafindra any amin’ny kianja Marimamy Brickaville ny fihaonan’ny Tia Kitra FC sy ny FCA Ilakaka izay atao amin’ny alahady 22 Marsta 2020.

Tsy misy fiovana ny lalao rehetra atao any Mahajanga. Fosa juniors FC handray an’i Cosfa. Toy izany koa ny lalaon’ny Zanakala FC dia andray an’i Elgeco Plus ny alahady 22 Martsa 2020 amin’ny 2 ora sy sasany.

Nisy ny lalao tara tamin’ny andro fahaefatra, Fosa Juniors FC sy Zanakala FC. Atony ny tsy nahavitana io lalao io tamin’izany fotoana izany ny tsy nahatongavan’ny Fosa juniors FC teto Madagasikara raha nandrato lalao tany Maroc. Ho atao ny sabotsy 28 Martsa 2020 io lalao io any Mahajanga.

Marihana fa azo jerena ao amin’ny www.pro-league.mg ny fizotry ny fifanina « Orange Pro League ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *