Socio-eco

ORANGE MONEY MADAGASCAR: Miara-miasa amin’ny IFC ho fampiroboroboana ny fampiasana ny “mobile money”


Anisany manana taha ambany amin’ny resaka “inclusion financière” i Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa manerana an’izao tontolo izao. Tamin’ny taona 2017, 18% ny mponina no manana kaonty any amin’ny banky, orinasa fampindramam-bola madinika (institutions financières),   “mobile money”. Nanomboka tamin’ny taona 2010, noho ny fampiasam-bola nataon’ireo orinasa misehatra amin’ny resaka vola elektronika sy ny fivoaran’ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday (mobile money) dia nitombo io taha io teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia betsaka kokoa ny olona manana kaonty amin’ny mobile money noho ny any amin’ireo “institutions financières”. Ho fanohizana izany ezaka izany sy  ahafahan’ny olon-drehetra, ireo vehivavy sy ireo mponina any ambanivohitra mikirakira vola dia niara-nanao sonia fiarahamiasa ny Orange Money Madagascar sy ny IFC (Société financière internationale) ny 18 martsa 2021.

“Hitondra vahaolana tena ilaina ho an’olona maro, amin’ny fomba mivantana sy amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ireo sehatra ara-panjakana sy tsy miankina ity fiarahamiasa amin’ny IFC ity », hoy ny Tale jeneralin’ny Orange Money Madagascar, Mathieu Berthelot. Nilaza ihany koa ny solontenan’ny IFC eto Madagasikara, Marcelle Ayo fa “ ny fampiroboroboana haingana ny mobile money sy ny tolo-draharaha ara-bola amin’ny alalan’ny nomerika dia tena tombontsoa entina hanamafisana ny inclusion financière eto Madagasikara, indrindra ireo mponina mipetraka any ambanivohitra, any amin’ireo toerana lavitra andriana”.

Hanampy ny Orange  Money amin’ny fahazoana mpanjifa vaovao ny IFC. Efa misy ihany koa ny paikady manokana ahafahan’ireo vehivavy mampiasa ireo tolotra. Fandaharan’asa voalohany amin’ny sehatra avo dia avo ity fiarahamiasan’ny IFC sy ny Orange Money amin’ny lafiny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday. Amin’ny mpikambana ny IFC ao amin’ny banky iraisam-pirenena dia tafiditra ao anatin’ny ezaky ny banky iraisam-pirenena amin’ny fanatsarana ny “inclusion financière” sy ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara izao fiarahamiasan’ny roa tonta izao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *