Socio-eco

ORANGE MONEY: Ahazoana tahan-jana-bola hatramin’ny 5,5 % ny tolotra “Tahiry Be”


Tolotra iarahan’ny Orange Money sy ny Première Agence de Microfinance Madagascar (PAMF) ny « m-kajy ». Manana tolotra fampindramam-bola (crédit) sy tahiry (épargne) ity servisy ara-bola amin’ny alalan’ny « mobile money » ity. Nampahafantarina ny 30 novambra 2021 teny amin’ny Tour Ankorondrano ny fisian’ny tolotra vaovao « Tahiry Be ». Voalohany eto  Madagasikara  ity tahiry tsy azo kitihina (épargne bloqué) amin’ny alalan’ny fampiasana finday ity. Manomboka amin’ny iray volana ka hatramin’ny enim-bolana ny fametrahana vola ao amin’ny Tahiry Be ary ahazoana tahan-jana-bola hatramin’ny 5,5 % arakaraky ny faharetany ny fametrahana ny vola. “Afaka manao  épargne bloqué izay manana  compte Orange Money sy m-kajy, tsy misy fanavakavahana ary afaka misafidy izay épargne bloqué Tahiry Be mifanahaka amin’ny  fitantanany ny volany, misy afaka manao épargne bloqué iray volana izay mahazo tahan-jana-bola 3,5 %. Raha manana fahafahana hanao telovolana dia mahazo tahan-jana-bola 4,5 % ary 5,5 % raha enim-bolana”, hoy Ratsimbazafy Guy, Tale Jeneralin’ny PAMF.

Tsotra ny fanokafana kaonty Tahiry Be. Mila manokatra kaonty m-kajy (Tsindrio ny #144# ahafantarana ny andinidininy). Amin’ny alalan’ny kaonty Orange Money no handrotsahana vola ao amin’ny Tahiry Be.  Araka ny fanazavan’i Ratsimbazafy fa omena fahafahana daholo ny rehetra ho afaka misitraka ny tahiry manome tahan-jana-bola ambony dia ambony. Tsy misy fotoana very fa na any antrano dia afaka manokatra kaonty. Nanomboka tamin’ny taona 2018, an-jato miliara ariary ny fampindramam-bola nomen’ny servisy m-kajy, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Orange Money, Mathieu Berthelot. Nambarany fa natao ho an’ny daholobe ny servisy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *