Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy


Manana ny mampiavaka azy ny POESAM 2020. Notanterahina  ny  18 jona 2021 teny Ankorondrano ny fizarana ny amboara sy ny loka ho an’ireo tetikasa malagasy mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy mendrika  indrindra  ka nandray anjara tamin’ny fifaninanana POESAM (Prix  Orange  de l’Entrepreneur Social  en Afrique et  Moyen-Orient ), taona 2020. Tetikasa 12 tamin’ireo 40 nandray anjara no voasafidy tamin’ity fifaninanana ity ho an’ny eto an-toerana. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny firenena afrikana ireo tetikasa malagasy telo voalohany.  Nandrombaka ny loka voalohany ny tetikasa Andao Share. Tetikasa mampifandray  ireo mpamatsy vola sy  ireo  fikambanana manana tetikasa ho fampiroboroboana ny vehivavy, ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara  izy ity. Ny tetikasa  Healthea, mifototra amin’ny fanomezana pasipaoro ara-pahasalamana  amin’ny alalan’ny fampiasana ny QR code apetaka amin’ny karatra na “bracelet”  sy  “plateforme en ligne”  no nahazo ny  loka faharoa. Natolotra ny tompon’ny  tetikasa Mapwess  ny loka fahatelo.”Plateforme en ligne” mampifandray ny mpianatra sy ireo oniversite any ivelany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovao izy ity.Ny fanamorana ny fisafidianana ny anjerimanontolo sy dingana arahina no tanjona eto.

Anisany  nampiavaka ny  POESAM 2020 teto amintsika ny ny fanomezana loka ho an’ny tetikasa mifandraika amin’ny Covid-19. Ny tetikasa Rem’Aide, “application mobile” manampy ny marary amin’ny fitadiavana vaovao momba ny toe-pahasalamany sy  manampy ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fitantanana sy fandrindrana ny asany no nahazo izany loka izany. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny loka natokana ho an’ny sokajy vehivavy ka ny tetikasa Alt Soap no nahazo ny amboara.  Tetikasa miompana amin’ny famokarana savony  ary ho zaraina amin’ireo marefo, indrindra ireo fikambanam-behivavy  izy ity. Aorian’izao dia hahazo tohana hampiroboroboana ny tetikasany ireo nahazo loka ireo. Nanatevin-daharana amin’ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny Orange Madagasikara hanampy amin’ny fanosehana ireo tetikasa hiroborobo ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar).Marihina fa feno 10 taona no nikarakaran’ny Orange Madagascar ity fifaninanana manohana ireo  tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy ity.

Ra-Nirina


One comment on “ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy

  1. Pingback: ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *