Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Nanatitra fanampiana teny amin’ny CCO Ivato


Famenon’ny fanampiana teo aloha. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra sy manome lanja ny ara-tsosialy dia nanamafy ny fanohanana ny fitondram-panjakana amin’ny ady atao amin’ny COVID-19 ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité.  Tonga teny amin’ny CCO (Centre de Commandement Opérationnel Covid-19)  Ivato ny solontenan’izy ireo, ny 16 jona 2020, nanatitra fitaovam-piarovana isan-karazany toy ny « 45.000 gants, 15.000 visières de protection, 10.000 surchaussures, 5.000 calots, 300 litres de gel, 90 litres d’eau de javel, 60 kilos de chlore ary  pulvérisateurs ». Natokana ho an’ireo mpiantsehatra mivantana amin’ny ady atao amin’ity tsimokaretina ity ireto fanampiana ireto ka anisany misitraka izany ny mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ireo hopitalim-panjakana efatra eto Antananarivo, hopitaly roa any Toamasina sy ny hopitaly any Moramanga ary ho an’ny tafika Malagasy, ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Fanampin’izay dia nahazo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, menaka, savony, siramamy ihany koa ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, Fianarantsoa ary Fenoarivo Atsinanana. Ireo fianakaviana sahirana no hisitraka mivantana izany.

“Eo hatrany ny Orange Madagascar hanohana ny fanjakana Malagasy. Misaotra ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana izahay amin’ny herim-po hananan’izy ireo amin’ny fiatrehana ity ady ity. Manome toky hatrany izahay amin’ny fahavononana  hifanome tanana”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange eto Madagasikara, Degland Michel. Marihina fa famenon’ireo fanampiana naterin’ny Orange teny amin’ny CCO Ivato ny 18 aprily 2020 ho an’ny hopitaly Befelatanana, Anosiala, Manarapenitra Andohatapenaka ary ny hopitalin-jazakely eny Ambohimiandra sy ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra, Fianaranatsoa, Toliara, Mahajanga, Toamasina ary Fenoarivo Atsinanana ireo fanomezana voalaza etsy ambony ireo.

NIrina R


One comment on “ORANGE MADAGASCAR: Nanatitra fanampiana teny amin’ny CCO Ivato

  1. Pingback: ORANGE MADAGASCAR: Nanatitra fanampiana teny amin’ny CCO Ivato - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *