Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Nahazo wifiber , internet haingam-pandeha i Nosy Be sy Toamasina


Manaparitaka ny wifiber manerana ny nosy ny Orange Madagascar. Taorian’i Fianarantsoa dia tonga any Nosy Be sy Toamasina ny wifiber, internet aingam-pandehan’ny Orange Madagascar. Nosokafan’ny tale jenereliny,  Frédéric Débord , tamin’ny fomba ofisily izany ny 12 aprily 2022 tany Toamasina ary ny 14 aprily tany Nosy Be. Nisy ny fihaonan’ny Orange Madagascar tonga tany an-toerana tamin’ny tomponandraiki-panjakana , ny mpandraharaha ara-toekarena  ary ny mponina mba hijerena  sy hanomezana vahaolana tsara ho fampivoarana ny asa ataon’izy ireo. Manana tanjaka ara-toekarena ireo tànan-dehibe roa ireo ka amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojiam-pifandraisana toy ity wifiber ity ny tosika ataon’ny Orange Madagascar mba handeha bebe kokoa ny fampandrosoana ny toe-karena ao Nosy Be sy Toamasina. « Azon’ny orinasa ampiasaina tsara ary mety amin’izy ireo ny tolotra wifiber Pro. Tsy manapetra io tolotra internet io sady mazava ho azy fa tena aingam-andeha tokoa. Miaraka amin’io tolotra ihany koa ny  tambanjotra finday izay misy « sms » sy antso an-taribia », hoy ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Débord.  Mety ho any olon-tsotra kosa ny Wifiber izay hahafana mijery ny zavatra mandeha amin’ny « Streaming » sy maka na manao « téléchargement na fichier »  izay haingana dia vita ny fahazoana azy. Mihaino ny mpanjifa sy ny mpiara-miombon’antoka aminay izahay ary mamaly ny hetahetan’izy ireo, hoy hatrany ity tale jeneraly ity. Amin’ny fampivoarana ireo fotodrafitrasa  izany, hoy izy.

Marihana fa efa misy ny Wifiber ny eto antananarivo, Mahajanga, Toamasina, antsirabe, Sambava, antsiranana ary Fianarantsoa. Miampy an’i Nosibe sy Toamasina vao avy nosokafana ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *