Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Miantso ny mpisehatra afrikanina hampiasa vola amin’ny fampiofanana momba ny nomerika


Mampitombo ny fampananan’asa sy manatsara ny kalitaon’ny fampianarana.  Notanterahina ny 19 Mey 2023 teny amin’ny Novotel Alarobia ny  fihaonambe ho an’ny fampiasana ny nomerika eto Afrika na « Assises de la Transformation Digitale en Afrique – ATDA ». Nanatrika izany ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord ary nanararaotra nizara ny traikefa hananan’ny  vondron’orinasa  Orange amin’ny fampivoarana ny fahaiza-manao  ara- nomerika. Nahazo  ny amboara  ATDA 2023 ihany koa ny Orange noho ny fandraisany andraikitra amin’ny fampisitrahana ny rehetra ny nomerika. Mba ahafahan’ny rehetra mampiasa ny nomerika sy migoaka tombontsoa amin’izany dia natsangana ny Orange Digital Center. Firenena 18 eto Afrika, Moyen-Orient ary Europe (France, Belgique, Pologne) no nametrahana izany. Tafiakatra 750.000 no mpahazo tombontsoa tamin’ny fisian’ny ODC ka vehivavy avokoa ny 42 % amin’ireo.

 Amin’ny alalan’ny ODC no hanomezan’ny Orange fiofanana momba nomerika ho an’ny tanora afrikanina ho fampivoarana ny fampananan’asa, ho fampiroboroboana ny fandraharahana ary hanohanana ireo tetikasa  mitondra aingavao ho an’ny kaontinanta. Ny taona 2021 no napetraka ny ODC teto Madagasikara izay ahitana « école du code », ivon-toerana famoronana tetikasa momba ny nomerika antsoina hoe : « FabLab solidaire »  ary ivon-toerana ho fampandrosoana ireo tetikasa. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaim-poana avokoa ireo fandaharan’asa voalaza ireo. Tao anatin’ny roa taona, olona miisa 1.900 no efa nahazo ka vehivavy ny 60 % amin’izy ireo. Efa tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 600 amin’ireo nahazo fiofanana. «Ny ODC teto Madagasikara ihany no nahatratra io tanjona io raha oharina amin’ireo ODC 15 miparitaka manerana ny kaontinanta afrikanina.  Porofo izany fa miditra tanteraka anatin’ny tetazana hiampitana any amin’ny fampiasana ny nomerika  ny eto Madagasikara», hoy i Frédéric  Debord. Miantso ny mpisehatra afrikanina momba ny nomerika hampiasa vola bebe kokoa any amin’ny fampiofanana momba ny nomerika sy ho fanatrarana ny tanjona amin’ny 2030: tafiakatra 650 tapitrisa ny olona mahazo fiofanana momba fahaiza-manao amin’ny lafiny nomerika eto Afrika ny Tale Jeneralin’ny Orange.

Ankoatra izany, manana tetikasa hafa ihany koa ity orinasam-pifandraisan-davitra ity mba ahafahan’ny daholobe mampiasa ny nomerika. Mahatratra 42 ny ivon-toerana ho fampiofanana ny vehivavy momba ny tontolon’ny nomerika (Maisons digitales pour les femmes) eto Madagasikara. Vehivavy tsy manana diplaoma sy tsy an’asa  miisa 10.000  no efa nahazo fiofanana. Sekoly 240 no napetraka manerana Nosy ka mpianatra sy mpampianatra 400.000 no nahazo fiofanana momba ny fampiasana ireo fitaovana nomerika. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ahafahan’ny mpianatra tsy ankanavaka misitraka ny fanabeazana nomerika no tanjon’ny tetikasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *