Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Manomboka amin’ny 037 indray ny laharana ho aparitaka manomboka ny 7 novambra 2023


Hanatevina ny laharan’ny Orange ny 037. Mampahafantatra ny besinimaro ny Orange Madagascar fa manomboka amin’ny 037  ny laharana ho aparitaka manerana an’i Madagasikara,  manomboka ny 7 novambra 2023. Ho famaliana ny fangatahan’ny mpanjifa izay tsy mitsaha-mitombo sy ny fahalanian’ny laharana 032 no anton’izany. “Tsy misy ny fiovàna fa mitovy amin’ny tolotra sy servisy  natao ho an’ny laharana manomboka ny 032 no omena ny 037. Fitohizana no misy”, hoy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara. Marihina fa mbola manohy fanafainganana ny fampifandraisana ny vahoaka Malagasy any amin’ny ambanivohitra sy toerana sarondalana amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa hanaparitahana ny tambazotra (réseaux) ny orinasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *