Sport

ORANGE MADAGASCAR : Manolo-tanana amin’ny fampiroboroboana ny taranja “padel”


Efa manomboka ny taom-pilalaovana 2024 ho an’ny taranja ara-panatanjahantena “padel”. Fifaninanana 20 mahery no ho tanterahina mandritra ny taona. Ao anatin’ny andraikitra sahanin’ny Orange Madagascar ny fanohanana ny fanatanjahantena eto an-toerana ka  nanapa-kevitra hiara-hiasa amin’ny Malagasy Pro Padel Tour  (MPPTour) ny orinasa ho fampivoarana ity taranja ity. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange sy i Gary Ah-Waye, solontenan’ny  MPPTour, ny 7 febroary 2024. Mitovy tanjon’ny roa tonta dia  fikatsahana ny tsara indrindra, ny fandraisana andraikitra. Noho izany, hampiakatra ny lentan’ny padel eto amintsika ity fiarahamiasa ity. Mitondra ny anarana “Orange MPPTour” ny fifaninanana  manomboka eto ary hanohana ara-bola ny MPPTour ny Orange mandritra ny taom-pilalaovana.

Loharanon’ny fihetsehampo ny fanatanjahantena. Mivohy soatoavina mafonja ny fanatanjahantena izay tena voizin’ny Orange ihany koa  toy ny fahaizana miara-miasa anaty ekipa, ny fahaizana mizara, ny firaisankina.  Efa an-taonan’ny maro ny Orange no nampiasa vola tamin’ny sehatry ny fanatanjahantena”, hoy i Frédéric Debord. Taranja niforona  tany Mexique ny « padel ». Kely kokoa ny kianja ilalaovana azy raha oharina amin’ny taranja « tennis » sady voadidina rindrina sy « grillages ».  Mitovy amin’ny fikaontiana isa amin’ny tennis kosa ny padel. Efa mahatratra 9 ny klioba amin’ny padel  eto Madagasikara ary 600 ny mpilalao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *