Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Manafaingana ny fametrahana fotodrafitrasa any amin’ireo toerana tsy mbola misy tambazotram-pifandraisana


Ho fisitrahana ireo tombontsoa avy amin’ny fampiasana ny tambazotram-pifandraisana. Ho fanafainganana ny fandrakofana tambazotram-pifandraisan-davitra (réseau mobile) any amin’ireo ambanivohitra  dia miara-miasa ny Orange Madagascar sy ny AMN Ltd. Tanteraka ny 8 febroary  2023 tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar sy Michael Darcy, Filoha tale Jeneralin’ny AMN Ltd. Toerana 500 any ambanivohitra  eto Madagasikara no hametrahana fotodrafitrasa teknika. Malagasy iray tapitrisa mahery, tsy mbola misitraka ireo tombontsoa avy amin’ny fampiasana ny nomerika no ahazo tombony amin’izany. Afaka mifandray amin’ny fomba mahomby na dia amin’ny toerana lavitra indrindra, tsy voatery miakatra an-tanàn-dehibe izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo tolotra omen’ny tambazotra Orange, indrindra  ireo tolotra fikirakirana vola amin’ny alalan’ny Orange Money. Hametrahana tambazotra Orange  ireo toerana ireo ka mandritra ny 10 taona farafahakeliny ny faharetany mba ahafahana mampiasa  tolotram-pifandraisan-davitra 2 G sy 3G. Farafahakeliny mponina miisa 500, tsy afaka nifandray teo aloha no hisitrika ireo tombontsoa ara-tsosialy, toekarena sy fanabeazana avy amin’ny fampiasana ny tambazotram-pifandraisana. « Manohy ny fampiasam-bola amin’ny fametrahana fotodrafitrasa handrakofana ny tambazotram-piandraisana any ambanivohitra ny Orange Madagascar. Ao anatin’ny dingana ataon’ny governemanta malagasy amin’ny fandravana ny sakana momba ny fifandraisana any ambanivohitra izany. Ahafahan’ny besinimaro mampiasa ny tambazotram-pifandraisana ity fiarahamiasa ity ary mikendry ny hitondra tolotra ho an’ny Malagasy tsy mbola misitraka ny nomerika », hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny  Orange Madagascar. Nambarany fa fanampin’ireo toerana 500 hametrahana fotodrafitrasa teknika miaraka amin’ny mpiara-miasa hafa ireto toerana 500 vaovao ireto. Amin’ity taona 2023 no hanomboka ny fametrahana ireo « site » voalohany.

Fiantraikany tsara

Orinasa manorina, manana, mitrandraka sy mikojakoja fotodrafitrasa momba ny tambazotram-pifandraisana ny AMN Ltd. Manome tolotra ho an’ireo orinasam-pifandraisan-davitra (Opérateurs de réseaux mobiles – ORM), dingana voalohany  eto Afrika izy. Manampy ireo ORM hanitatra ny fandrakofana ireo toerana any ambanivohitra, tsy misy fiantraikany, ny fananany tolotra antsoina hoe NaaS. Efa manana « sites » miisa  700 ny AMN any RDC sy Cameroun ary mahafaly azy ny fihitaran’ny fiarahamiasany eto Madagasikara miaraka amin’ny Orange. “Tsotra ny vinan’ny AMN: tsy misy  na dia iray aza mpiara-monina tsy afaka mampiasa ny tolotra fototra momba ny fifandraisan-davitra. Faly izahay mampiditra ny Orange Madagascar ao anatin’ny lisitrin’ny tambazotra mivoatra sy hampiasa ny traikefanay amin’ny fametrahana fotodrafitrasa haingana sy mahomby mba ahafahan’ireo mponina mipetraka any ambanivohitra  migoka ny fiantraikany tsara amin’ny fampiasana ny tambazotram-piandraisan-davitra”, hoy Michael Darcy, Filoha Tale Jeneralin’ny AMN Ltd. Vao haingana ity orinasa ity no nahazo famatsiam-bola ahafahana mametraka “stations de base”  miisa 7000. Manana vina ihany koa ny orinasa hanatratra “sites en ondes” miisa 4500 mialohan’ny faran’ny taona 2023.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *