Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Hanohana ny CTM ho fampiroboroboana ny fampiasana ny nomerika amin’ny sehatry ny fizahantany


Na dia mbola tsy miroborobo tanteraka eto Madagasikara aza ny « tourisme durable et solidaire » dia efa betsaka ireo fikambanana no misehatra amin’izany eto amintsika. Efa maro ihany koa ny mpizahantany no misafidy ity sehatra iray. Ankoatra  ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara, zava-boahary  dia fizahantany any ambanivohitra, mampandray anjara ireo mponina mipetraka amin’ny toerana hanaovana fitsidihana amin’ny alalan’ny fitarihana dia, fampiantranoana, fikarakarana sakafo ny vahiny, fampianarana ireo vahiny ny asa fivelomanana mampalaza ny toerana (asa tanana, fambolena…) no atao hoe «tourisme solidaire et durable»  raha hazavaina tsotsotra. Mampifandray ny mponina sy ny vahiny mpitsidika ihany koa noho ny fisian’ireo karazana lalao nentin-drazana, fanentanana ara-kolontsaina.  Anisany miteraka fampandrosoana mivantana ho an’ny mponina tompon-tanana ity sehatra iray ity. Teraka ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange Madagascar sy ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM) ho fampiroboroboana  azy ity. Tontosa ny 5 Mey 2023 ny fifanovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Frédéric Debord – Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara sy Ratovomalala Lova – Tale Mpanatanteraky ny CTM.  Hanohana ny CTM amin’ny famolavolana sata momba ny « tourisme solidaire et durable » ny  Orange.  Hiara-handrafitra fandaharam-potoana hanomezana fiofanana momba ity sehatra ity ny roa tonta mba ahafahan’ny mpikambana ao amin’ny CTM mamorona tombontsoa maharitra ho an’ny sahan’asan’izy ireo.

Fitaovana mampirobrobo ny sehatr’asa

Ankoatra izany, hahazo fiofanana momba ny fahaiza-manao amin’ny lafiny nomerika amin’ny alalan’ny fandaharan’asan’ny Orange Digital Center (ODC) ireo mpikambana ao amin’ny CTM. Tsara ny mampatsiahy fa fandaharan’asa miompana amin’ny fampanan’asa sy ny mampiofana momba ny nomerika ny ODC. Mpianatra 1600 no nahazo fiofanana tao nandritra fisokafany teto Madagasikara. Vehivavy ny 61 % tamin’ireo. Hanosika ireo mpikambana ao amin’ny CTM amin’ny alalan’ny fitaovana mahomby ho famadihana ny sahan’asan’izy ireo ho matihanina ihany koa ny orinasam-pifandraisan-davitra . Hanampy azy ireo amin’izany ny  Wifiber Pro, internet haingam-pandeha  sy ny Orange Money, tolotra manamora ny fikirakirana vola.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *