Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Hanampy ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara amin’ny alalan’ny teknolojia nomerika


Tsy azo ialana intsony  ny nomerika. Anisan’ny mampiroborobo ny sehatry ny nomerika ny Orange Madagascar ary mitondra sy manampy amin’ny sehatra misy  rehetra indrindra ny lafin’ny sosialy eto Madagascar. Noho izany dia nisy ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity sy ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara (OGEM) teny Ankorondrano ny 02 aogisitra 2022. Nanao ny soniam-piaraha-miasa i Benja Arson, DGA d’Orange Madagascar sy ny filohan’ny OGEM, Nasoavina Rakotomalala. Tafiditra amin’ny andraikitra sy fampiharana ny RSE (Responsabilité Sociétale d’Entreprise) ataon’ny orange ity fifanarahana ity. Ny Orange Madagascar no mandray an-tanana  amin’ny fampivoarana  ara-tsosialy sy hitondra ny tombotsoan’ny rehetra amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao araka izay tratra. Hanohana ny OGEM  ny orange eo amin’ny fanaovana ho nomerika mba ho fampivoarana ny sehatry ny tamba-jotra nomerika e-Araka.

Marihana fa niandraikitra ny connexion internet aingam-pandeha nandritra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny OGEM tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny 3, 4 et 5 aogositra 2022 ny Orange Madagascar.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *