Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Eo akaikin’ny mpanoratra Malagasy ho fampiroboroboana ny literatiora sy ny vaky boky


Teto Madagasikara no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny loka goavana azon’i Rakotoson Michèle tamin’ny fifaninanana « Prix Orange du Livre en Afrique » na POLA. Boky miisa dimy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana andiany fahadimy ka ny boky nosoratan’i Rakotoson Michèle, mitondra ny lohateny hoe « Ambatomnga », natontan’ny « Atelier des nomades » no niantefan’ny safidin’ny mpitsara. Famatsiana ara-bola avy amin’ny Fondation Orange mitentina 10.000 euros no azon’ity mpanoratra Malagasy ity. Natolotrin’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord azy ny alatsinainy 22 Mey 2023 teny amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano ny taratasim-bolany niampy «boky volamena» noho fandraisany anjara amin’ny fampirboroboana ny boky sy vaky boky eto Madagasikara. Ankoatra ny fanampiana ara-bola dia hanampy tosika azy amin’ny fampahafantarana ny asa sorany ihany koa ny Orange. Tsara ny mampatsiahy fa miresaka tantaram-piainan’olona roa lasibatra tamin’ny ady nandritra fanjanahantany ny tantara foronina «Ambatomanga». Ny taona 2019 no namoronan’ny Fondation Orange ny POLA ho fanandratana ny talentan’ireo mpahay literatiora afrikanina sy ny trano mpanonta boky eto Afrika. Tantara foronina miisa 38, natolotrin’ny  trano mpanonta boky miisa 29 avy amin’ny firenena 12 eto Afrika no nandray anjara tamin’ny andiany fahadimy. Ny boky dimy tamin’ireo no nosafidian’ireo komity dimy, nampivondrona mpamaky boky an-jatony manerana ny firenena afrikanina 15,  hiatrika ny dingana famaranana.

Fampihaonana ny mpanoratra sy ny mpamaky

Manampy amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny fampiroboroboana ny boky sy ny vaky boky. Anisan’ireo sahan’asa tanterahan’ny Orange Madagascar amin’ny lafiny kolontsaina izany. Efa an-taonany maro ny orinasa, tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité no manohana ireo mpanoratra tanora, manandratra ny literatiora sy ny manamora ny fisitrahan’ny daholobe ny boky. Santionany amin’ny asa efa natao ny fampihaonana ny mpanoratra sy ny mpamaky amin’ny alalan’ny hetsika fanentanana «Ndao Hamaky Boky». Fandaharan’asa iray ho fanomezana lanja ny vaky boky iarahan’ny tranom-bokim-pirenena sy Orange Solidarité izy ity. Ireo mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana any ambanivohitra, ao anatin’izany ireo tanàna mahazo tohana avy amin’ny Orange (Village Orange) no iantefan’ny fanentanana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *