Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Ankizy miisa 1300 ho zaraina fanomezana


Volana natokana ho an’ny ankizy ny volana jona.  Mikarakara andro ho an’ny firaisankina (journées solidaires) ny Orange Madagascar ho fanomezana lanja ny ankizy sy hampifaliana azy ireo.  Ho tanterahina manerana ireo faritra maro eto Madagasikara ny hetsika. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 18 jona 2022 teny amin’ny Parc Andranobevava Marais Masay izany. Nanatrika ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord sy ny Filohan’ny Orange Soliarité, Arson Benja. Ankizy maro avy amin’ireo fokontany manodidina ny boriborintany fahadimy  no nasaina tamin’io andron’ny firaisankina io. Fanentanana miendrika lalao, lalao isan-karazany, atrikasa fanabeazana momba ny nomerika  antsoina hoe “supercodeur” niarahana tamin’ny TICBUS no nameno ny fandaharam-potoana. “Zava-dehibe ny fahasalaman’ny ankizy ka hanao fanentanana momba ny fahasalaman’ny ativava ny Orange ary hizara fiborosiana nify sy dentifrice”, hoy i Frédéric Debord nandritra ny lahateny nataony. Nizara kilalao, arendrina ary vatomamy sy biscuit an’ireo ankizy ihany koa ny Orange tamin’io fotoana io, mba hiatrehan’izy ireo ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.  Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Orange fa  manana zo hilalao ny ankizy ary zo  fototra izany. “Afaka herinandro dia ho avy ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Sarobidy ho an’ny ankohonana sy ny ankizy io fety io ka izany indrindra no nahatonga ny Orange nizara ireo fanomezana ireo”, hoy hatrany izy. Nambaran’Arson Benja, filohan.ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar ihany koa fety manome lanja ny fihavanana ny fetin’ny 26 jona. “Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra sy olom-pirenena ny Orange dia mamaly ny filàny mponina  ny orinasa amin’ny alalan’ny firaisankina”. Hitohy any amin’ny faritra ny “journées solidaires”. Ny 23 sy 24 jona 2022 no hanatanterahina izany any amin’ireo tanan-dehibe 14 ahitana ny Orange. Raha ny fandaharam-potoana eto Antananarivo kosa dia boriborintany voalohany, faharoa ary fahatelo no hanatontosana izany ny 24 jona. Anjaran’ny boriborintany fahaefatra sy fahaenina ny 25 jona. Ankizy miisa 1300 no hahazo tombontsoa amin’ity “journées solidaires” ity raha atambatra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *