Sport

Orange Esport Experience 2022: Tompondakan’i Afrika amin’ny lalao eFootball23 i Rayan Mamitiana Herilanto Ralainaivo


Voasafidy ho ambasadaorin’ny Orange Madagascar amin’ny taranja ara-panatanjahatena atao amin’ny alalan’ny « jeu vidéo » na antsoina hoe « eSport » i Rayan Mamitiana Herilanto Ralainaivo. Tontosa ny 15 febroary 2023 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo aminy sy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar.  Vao 22 taona monja  i Rayan ary efa sangany amin’ny filalaovana eSport. Vao tsy ela akory no  nandrombaka ny amboara tamin’ny  fifaninanana  « eFootball23 »  eto Afrika  izy. Notanterahana ny 28 sy 29 janoary 2023 tany Abidjan ny fifaninanana ary tafiditra ao anatin’ny lalao Orange Esport Experience 2022.  Raha eo anivon’ny kaontinanta Afrika dia efa tompondaka tamin’ny PES  nandritra Orange Esport Experience tany Tunis izy tamin’ny 2019. Efa tompondaka lefitra tamin’ny PES 2018 ihany koa izy. Raha  eo amin’ny sehatra nasionaly indray dia efa in-telo tompondakan’i Madagasikara i Rayan tamin’ny PES ery efa nibata ny amboara maromaro tamin’ny FIFA sy NBA2K. Ankoatra izany,  efa nitana ny laharana faharoa teo amin’ny sehatra iraisampirenena izy. Mpilalao 5000 no nifanintsana tamin’io lalao eFootball open 2020 io. Fantatra fa handray amin’ny amin’ireo lalao iadiana ny tompondaka manerantany ho an’ny eFootball atao « en ligne », karakarain’ny Orange Madagascar ny tenany. Efa an-taonany maro ny Orange no nikarakara fifaninanana sy hetsika momba « jeu vidéo » ho  an’ny tanora malagasy  mankafy izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *