Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER – SAYNA: Mampiofana sy manome asa ho an’ny tanora momba ny tontolon’ny nomerika


Manamafy ny fandraisan’andraikitra amin’ny fanampiana ny tanora hahay hifehy ny nomerika ny Orange Digital Center (ODC) sy SAYNA. Tontosa ny alarobia 14 septambra 2022 teny Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ireto ivon-toerana manamora ny fampiofanana  ny tanora momba ny nomerika ireto. Miompana amin’ny sahan’asa roa ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta. Fampiofanana ny voalohany  ary fanomezana asa ny faharoa.  Hahazo fiofanana  mianaraka amin’ny filàny sy ny fahafahany ireo tanora miofana amin’ireo ivon-toerana roa ireo.  Raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord dia ivon-toerana mampivondrona ireo karazana fiofanana manomboka amin’ny  fampiofanana momba ny nomerika mankany amin’ny  fanosehana ireo tetikasa momba teknolojia  ka hatrany amin’ny fanafainganana  ny fanatanterahana izany ny Orange Digital Center. Amin’ny maha 100 % “en ligne”  ny  fiofanana omen’ny SAYNA dia afaka manitatra ny  fampiroboroboana nomerika manerana an’i Madagasikara ny ODC.  Nambaran’ny mpanorina sy mpitantana ny SAYNA, Razafimahefa Matina fa fianarana ho an’ny tanora malagasy  momba “développeur numérique”, marketing, design i SAYNA. “En ligne” avokoa ny fampianarana  momba ireo asa manodidina ny nomerika. Noho ny fiarahamiasa amin’ny ODC,  “manome  licence 30 ho an’ireo  mpianatra avy ao amin’ny Orange Digital ny SAYNA”.  Ankoatran’izany dia  afaka miasa ao amin’ny SAYNA Work momba ny “micro-tâche informatique” ireo tanora malagasy miofana ao amin’ny ODC ka manao “validation de compétence” ary “mahazo vola”, hoy izy. Hihitatra manerana an’i Afrika amin’ny alalan’ny tambazotran’ny Orange Digital Center ity fiaharamiasa ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *