Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER CHAMPIONS : Madagasikara no nandrombaka ny laharana voalohany


Tontosa ny 11 Janoary 2024 ny lalao famaranana tamin’ny Orange Digital Center Champions. Lasan’i Madagasikara, tamin’ny isa 4799, ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana iraisampirenena momba « programmation informatique ». Rayane, Valdo, Mickael ary Jeanny, mpianatra avy ao MISA (Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées), avy ao amin’ny fakiolten’ny siansa, Oniversite Antananarivo no nandrafitra ny ekipa malagasy. Ny ekipa avy any Jordanie no nitana ny laharana faharoa, tamin’ny isa 534. Egypte ny fahatelo (104). Loka azon’ny ekipa mpandresy ny fanamboarana  sy fampitaovana ivon-toerana momba ny informatika sy fanomezana fiofanana maimaim-poana, mandritra ny taona iray, momba ny teknoljia vaovao ao amin’ny oniversite niavin’izy ireo.

Fifaninanana nokarakarain’ny tambazotran’ny Orange Digital Center MEA tao anatin’ny CAN23 ho fampahahafantarana bebe kokoa ny talenta momba teknoljia hananan’ireo tanora mpikirakira ny informatika (développeurs) eto Afrika sy Moyen Orient izy ity ary ho famporisihana ny fiarahamiasa anaty ekipa. Mpianatra avy amin’ny oniversite manerana firenena maro no  mandrafitra ny ekipa. Tafiakatra 15 ny ekipa nandray anjara tamin’ny andiany voalohany. Mandeha mivantana amin’ny « plateforme » antsoina hoe «CodinGame» ny fifaninanana ka amin’ny alalan’izany ireo ekipa no mamaha ny olana momba ny « programmation » izay miha sarotra isaky ny dingana. Arakaraka ny isa mamaritra ny fahaizan’ny ekipa  (leaderboard) no mampiakatra azy amin’ny dingana manaraka.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *