Socio-eco

ORANGE 5G LAB : Fiomanana amin’ny fitsenana ny 5G


Hanampy ireo ao anatin’ny sehatry ny nomerika. Nampahafantarina ny 28 septambra 2023 ny « Orange 5G Lab ». Misy ny fampiratiana ireo teknolojia vaovao izay ataon’ny mpiara-miasa 14 amin’ny « Orange Madagascar » etsy amin’nyRadisson Blu Ambodivona izay hanasana ny rehetra liana amin’ny teknolojia vaovao mandry ny roa andro izay hifarana ny 29 septambra 2023 .Tsy misy raha teo ny vidi-pidirana amin’ity hetsika ity. Mialoha ny hidirana amin’ny « réseau 5G » dia misy ny andrana ary firosoana amin’izany ny « Orange 5G Lab » ho an’ny orinasa-tserasera « Orange Madagascar ». Teknolojia vaovao noho izany ny « Orange 5G Lab ». Matanjaka izy ity ary mety ho an’ny mpikirakira teknolojia  avo lenta rehetra tsy ankanavaka. « Anisan’izany ireo orinasa ao anatin’ny fampandrosoana amin’ny sehatry ny « start up »,  ny « développeur » ity  « Orange 5G Lab ». Mampiavaka ny  « réseau 5G » tamin’ireo teo aloha dia tonga hatrany amin’ny 2 Giga/s. Tsy voatery hampiasa « fibre optique » fa 5G dia efa mahavita zavatra ampiasaina ao amin’ny anterineto. Maro kokoa ny fitaovan-tserasera azo ampiasaina ny 5G » hoy Ratsimbazafy Harivola, tomponandraikitry ny innovation Orange Madagascar. « Orange 5G Lab » faha 19 ary faha telo aty afrika ity notokanana eto Madagasikara ity. Miohatra ny 3350 ireo orinasa mpiara-miasa no misitraka ity « Orange 5G » ity. Mandray andrikitra amin’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ny « Orange Madagascar » amin’ny alalan’ny fampidirana ny teknolojia sy ny nomerika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *