Socio-eco

OPERATION SMILE: Zava-dehibe ny fitsaboana feno ho an’ireo sima molotra sy ny vakilanilany


Hanome fitsaboana feno ho an’ireo sima molotra sy vakilanilany no vinan’ny Operation Smile ho an’ny 10 taona manaraka. Ho firosoana amin’ny fanatanterahana izany dia mikarakara famelabelaran-kevitra momba ny fitsaboana atao amin’ireo olona sima molotra sy vakilanilany ankoatra ny fandidiana ny ONG. Nanomboka ny 16 novambra ary hifarana ny 18 novambra 2022 eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny hetsika. Avy eto an-toerana sy avy any ivelany no manao ny velan-kevitra. Voalohany teto Madagasikara no nisy famelabelaran-kevitra momba ny fandraisana an-tanana ireo sima molotra sy vakilanilany. Nandritra ny 40 taona no nanampy ireo olona tratran’ny fahasembanana eo amin’ny molotra sy vakilanilany ny Operation Smile. Fanamby ho an’ny ONG  ny hanome fitsaboana feno ho an’ny marary. Ankoatra ny fandidiana dia ao anatin’izany ny fandraisana an-tanana momba ny fahasalaman’ny vava sy ny ativava, ny sakafo, ny fanohanana ara-tsaina sy ara-pitenenana. Anisan’ireo lohahevitra ho resahan’ireo mpitsabo miasa ao amin’ny ONG, ny mpiasan’ny fahasalamana iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ary ny solontenan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ireo. “Zava-kendren’ny famelabelaran-kevitra ny fampahafantarana ny fomba fijery vaovaon’ny Operation Smile sy fanamafisana ny fahaiza-manao fa indrindra hifanankalozan-kevitra  momba ireo fomba tsara amin’ny lafiny fahasalaman’ny vava sy ny ativava, ny fitsaboana amin’ny lafiny sakafo ary ny fanohanana ara-tsaina sy ara-pitenenana”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-40 taonan’ny Operation Smile ity famelabelaran-kevitra ity. Manamarika ny fahavononan’ny ONG hanova fiainana sy hampisy tsiky indray izany. Mampiseho ny fahavononana hanampy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba hanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara ihany koa. Nanamafy Ramatoa Rakotomalala Mirana Mbola  fa zava-dehibe sy mitana anjara toerana lehibe ny fandraisana an-tanana ireo marary ka hitohy ny fanaovana famelabelaran-kevitra  tahaka izao amin’ny taona ho avy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *