Socio-eco

OPÉRATION SMILE: Maharitra tapa-bolana ireo tohana ara-tsakafo


Miandry fandidiana. Mizara tohana ara-tsakafo ho an’ireo efa sima sy vakilanilany miandry fandidiana na efa vita ny Opération Smile eto Madagasikara. Tao anatin’ny iray volana dia miisa 400 no nahazo vary, siramamy, menaka, voamaina, ronono. Ireo marary avy amin’ireo faritra mihiboka toy an’i Analamanga, Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Alaotra Mangoro ireto mpahazo tombontsoa ireto. « Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy afaka manatanteraka ny fandidiana ireo sima sy vakilanilany ny Opération Smile. Rehefa olona sima anefa dia marefo ka rehefa atao fandidiana azy ireo dia mila matanjaka sy ampy lanja », hoy ny mpitantana ny Opération Smile eto Madagasikara, Ramamonjisoa Mamy nandritra ny fizarana ny tohana ara-tsakafo teny amin’ny HJRA Anosy, ny 13 jona 2020. Nambarany fa maharitra tapabolana eo ireo fanampiana ireo raha toa ka olona efatra ny ao anatin’ny tokantrano iray. Nomarihany fa  tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny ONG, nampitondraina ny anarana hoe « Extra S’mile » ho fiatrehana COVID-19 ity tohana ara-tsakafo ity.

Maimaimpoana

Fikambanana iraisampirenena mandray an-tanana ireo manana olana amin’ny vava sy ativava toy sima sy vakilanilany ny Opération Smile. Raha ny teto Madagasikara dia marary miisa 3500 no vita fandidiana hatramin’ny taona 2007 no mankaty. « Maimaimpoana avoaka na fandidiana na fanafody na fitaterana ireo marary miaraka amin’ny olona manaraka azy. Na avy any Ambovombe aza ry zareo dia hiantohana avokoa ny fitaterana, ny trano ipetrahana sy ny sakafo mandra-pahavitan’ny fandidiana », hoy Ramamonjisoa Mamy. Raha toa ka handoavam-bola dia mitentina 300.000 Ariary  ny saran’ny fandidiana olona iray manana fahasembanana amin’ny vava na ativava ary tsy ao anatiny ny fanafody.

Nirina A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *