Socio-eco

OPERATION SMILE: Hiakatra ny tahan’ireo sima molotra sy vakilanilany mahazo fandidiana maimaimpoana


Be dia be ny olona sima molotra sy vakilanilany eto Madagasikara no mbola tsy nandalo fandidiana. Noho fahalafosan’ny saram-pandidiana no antony voalohany mahatonga izany. Noho fanatsarana ny toeram-pandidiana zazakely ao amin’ny hopitaly Joseph Tavoahangy Andrianavalona (HJRA) Anosy hiakatra ny tahan’ireo sima molotra sy vakilanilany hahazo fandidiana. Ho maimaimpoana io fandidiana Io noho ny fiarahamiasa amin’ny Operation Smile. Araka ny fanazavan’i Dr Hanitriniala Sahondranirina  Pâquerette, « Directeur Général de l’Institut national de santé publique et communautaire » fa hampiakatra be ny tahan’ireo mpisitraka fandidiana ity fanatsarana toeram-pandidiana ity.  » Manatsara ny fandraisana an-tanana ireo marary, ao anatin’izany n’y ankizy sy ireo sima molotra sy vakilanilany ity foto-drafitrasa nohavaozina ity. Raha 200 taloha dia hitombo 300 mahery isan-taona isan’ny olona didiana sima molotra sy vakilanilany », hoy izy. Nambaran’ny Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara, Rakotomalala Mirana fa fiarahamiasa amin’ny Operation Smile any Etazonia sy ireo mpiara-miombon’antoka no nahafahanana nanavao ity toeram-pandidiana ity. Ny taona 2007 no niforona teto Madagasikara ny Operation Smile. Nahafantarana ny ONG ny fikarakarana fandidiana maimaimpoana ho an’ny olona sima molotra sy vakilanilany. Raha ny tarehimarika nomen-dRamatoa Rakotomalala Mirana dia zaza miisa 1548 no voadidy tao amin’ny HJRA.  Mitotaly 3560 kosa ny Zaza voadidy manerana an’i Madagasikara tao anatin’ny 15 taona. Mila misoratra anarana ao amin’ny pejy Facebook ny Operation Smile kosa izay te hisitraka izany araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

Ra-Nirina

Vote final

Note finale 0

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *